Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 32:11 - Baiboly Katolika

Tsy famitahan’i Ezekiasa anareo va mba hanolorany anareo ho faty mosary sy hetaheta, no nilazany hoe: I Iaveh Andriamanitsika no hamonjy antsika amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tsy i Hezekia ihany va no mampirisika anareo hanolo-tena ho faty mosary sy hetaheta ka milaza hoe: NY TOMPO Andriamanitsika hamonjy antsika amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tsy i Hezekià ihany va no manambosy anareo hanolo-tena ho faty mosary sy hetaheta ka milaza fa ny TOMPO Andriamanitrareo no hamonjy anareo tsy hiharan’ny fahefàko?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tsy i Hezekià ihany va no manambosy anareo hanolo-tena ho faty mosary sy hetaheta ka milaza fa ny TOMPO Andriamanitrareo no hamonjy anareo tsy hiharan’ny fahefàko?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Tsy Hezekia ihany va no manambosy anareo hanolo-tena ho faty mosary sy hetaheta ka manao hoe: Jehovah Andriamanitsika hamonjy antsika amin’ny tànan’ny mpanjakan’i Asyria?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Tsy Hezekia ihany va no manambosy anareo hanole-tena ho faty mosary sy hetaheta ka .anao hoe: Jehovah Andriamanitsika hamonjy antsika amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Syria?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tsy i Hezekia ihany va no mampirisika anareo hanolo-tena ho faty mosary sy hetaheta ka milaza hoe: NY TOMPO Andriamanitsika hamonjy antsika amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria?

Jereo ny toko



2Tantara 32:11
14 Rohy Ifampitohizana  

Fa namaly ny mpandroso divay ambony indrindra nanao hoe: «Moa amin’ny tomponao sy aminao va no nasain’ny tompoko hilazana izany teny izany, fa tsy amin’ireo olona mipetraka eo ambony manda, mba hihinanany ny dikiny sy hisotroany ny ditsany miaraka aminareo?»


Aza manaiky hampatokin’i Ezekiasa an’i Iaveh ianareo, saingy ilazany hoe: Tsy maintsy hovonjen’i Iaveh tokoa isika, ka tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria ity tanàna ity.


«Izao no lazaonareo amin’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà: Aza mety harebirebin’ny Andriamanitrao izay itokianao ianao, saingy ilazany hoe: Tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria i Jerosalema.


«Izao no lazain’i Senakeriba mpanjakan’i Asiria: Inona izato itokianareo, no dia mihiboka atao fahirano ato Jerosalema ka tra-pahoriana ianareo?


Tsy io Ezekiasa io indrindra va no nandrava ny fitoerana avo sy ny ôtelin’i Iaveh, ka nilaza tamin’i Jodà sy i Jerosalema hoe: Eo anoloan’ny ôtely iray monja no hiankohofanareo ary ao no anateranareo zava-manitra.


Koa ankehitriny, aza dia mety hambosin’i Ezekiasa na hofitahiny ianareo! Ary aza matoky azy. Fa ny andriamanitry ny firenena sy ny fanjakana hafa rehetra tsy nisy nahavonjy ny vahoakany tamin’ny tanako sy ny tanan’ny razako, ka mainka tsy hahavonjy anareo amin’ny tanako izay Andriamanitrareo.»


Izay rehetra mahita ahy, manaraby ahy avokoa; misoka-molotra izy ary mihifikifi-doha:


Ry Iaveh ô, akory izato hamaroan’ny fahavaloko! Endrey ity habetsahan’ireo mitsangan-kamely ahy!


nanao fivavahana tamin’ny Andriamanitry ny aiko. Ary izaho kosa, dia hoy aho amin’Andriamanitra vatolampiko: nahoana no manadino ahy Ianao?


manao hoe: «Efa nafoin’Andriamanitra izy! Enjeho, sambory, fa tsy misy izay hiaro azy!»


«Moa ny tomponao sy ianao va, no nanirahan’ny tompoko ahy, hilaza izany teny izany; fa tsy ireo olona mipetraka eo ambony manda hihinana ny dikiny sy hisotro ny ditsany miaraka aminareo?»


Aza mety hambosin’i Ezekiasa ianareo, ataony hoe: Hamonjy antsika i Iaveh? Moa misy andriamaniny ny firenena nahavonjy ny taniny, tamin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria va?


Natoky an’Andriamanitra Izy, ka raha tia Azy Andriamanitra dia aoka hanafaka Azy ankehitriny, satria Zanak’Andriamanitra Aho, hoy ny filàzany.»