Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 36:12 - Baiboly Katolika

12 «Moa ny tomponao sy ianao va, no nanirahan’ny tompoko ahy, hilaza izany teny izany; fa tsy ireo olona mipetraka eo ambony manda hihinana ny dikiny sy hisotro ny ditsany miaraka aminareo?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Hoy anefa i Rabsake: Moa ho amin’ny tomponao sy ianao va no nanirahan’ny tompoko ahy hilaza izany teny izany, fa tsy ho amin’ny olona mipetraka eny ambonin’ny manda, izay voatery hihinana ny fivalanany sy hisotro ny fivalanan-dranony miaraka aminareo?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

12 Fa hoy ny navalin’ilay dekà hoe: «Moa ho an’ny tomponao sy ho anao ihany va no nanirahan’ny tompoko ahy hilaza izany teny izany fa tsy ho an’ny olona izay mipetraka eny ambony manda koa? Fa ho voatery tahaka anareo izy hihinana ny dikiny sy hisotro ny fivalanandranony.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Fa hoy ny navalin’ilay dekà hoe: «Moa ho an’ny tomponao sy ho anao ihany va no nanirahan’ny tompoko ahy hilaza izany teny izany fa tsy ho an’ny olona izay mipetraka eny ambony manda koa? Fa ho voatery tahaka anareo izy hihinana ny dikiny sy hisotro ny fivalanandranony.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Fa hoy Rabsake: Moa ho amin’ny tomponao sy hianao va no nanirahan’ny tompoko ahy hilaza izany teny izany, fa tsy ho amin’ny olona izay mipetraka eny ambonin’ny mànda, hihinanany izay tsy fihinany sy hisotroany izay tsy fisotrony miaraka aminareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Fa hoy Rabsake: Moa ho amin'ny tomponao sy ianao va no nanirahan'ny tompoko hilaza izany teny izany, fa tsy ho amin'ny olona izay mipetraka eny ambonin'ny manda, hihinanany izay tsy fihinany sy hisotroany izay tsy fisotrony miaraka aminareo?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Hoy anefa i Rabsake: Moa ho amin’ny tomponao sy ianao va no nanirahan’ny tompoko ahy hilaza izany teny izany, fa tsy ho amin’ny olona mipetraka eny ambonin’ny manda, izay voatery hihinana ny fivalanany sy hisotro ny fivalanan-dranony miaraka aminareo?

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 36:12
11 Rohy Ifampitohizana  

Fa namaly ny mpandroso divay ambony indrindra nanao hoe: «Moa amin’ny tomponao sy aminao va no nasain’ny tompoko hilazana izany teny izany, fa tsy amin’ireo olona mipetraka eo ambony manda, mba hihinanany ny dikiny sy hisotroany ny ditsany miaraka aminareo?»


Dia hoy i Eliasima sy i Sobnà ary i Jôahe, tamin’ny lehiben’ny mpandroso divay: «Mba teny arameanina no ataovy amin’ny mpanomponao, satria hainay izany; fa aza dia manao teny jodaika, ho ren’ny vahoaka eny ambony manda.» Fa izao no navalin’ny lehiben’ny mpandroso divay:


Dia nandroso ny lehiben’ny mpandroso divay ka nanao feo avo niantso tamin’ny teny jodaika nanao hoe: Mihainoa, ianareo, ny tenin’ny mpanjaka lehibe, mpanjakan’i Asiria!


Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.


Hataoko mihinana ny nofon’ny zanany lahy sy ny nofon’ny zanany vavy izy; ary samy hihinana ny nofon’ny namany avy; fa latsaka an-katerena amam-pahoriana mafy izy azon’ny afitsoky ny fahavalony sy izay mitady ny ainy azy.


Toy ny mofo orja no ihinano azy; ary diky no anendaso azy, eo imason’izy ireo.


Ary hoy Izy tamiko: «Ry zanak’olona, indro hotapahiko ny tehina mofo any Jerosalema, ka an-danjany sady am-panahiana no hihinanan’izy ireo mofo; ary am-patrany sady amin-kovitra no hisotroany rano.


Hihinana ny mofon’ny zanakareo lahy ianareo, hihinana ny mofon’ny zanakareo vavy ianareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra