Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 36:11 - Baiboly Katolika

11 Dia hoy i Eliasima sy i Sobnà ary i Jôahe, tamin’ny lehiben’ny mpandroso divay: «Mba teny arameanina no ataovy amin’ny mpanomponao, satria hainay izany; fa aza dia manao teny jodaika, ho ren’ny vahoaka eny ambony manda.» Fa izao no navalin’ny lehiben’ny mpandroso divay:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Dia hoy i Eliakima sy i Sebna ary i Joa tamin’i Rabsake: Miangavy anao aho, teny arameana no ataovy amin’ny mpanomponao, fa fantatray ihany izany, fa aza manao teny jiosy ho ren’ny olona eny ambonin’ny manda.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

11 Dia hoy i Eliakima dekà tamin’ilay asirianina: «Mba teny aramianina re atao aminay, satria azonay ihany izany; fa aza itenenana hebreo izahay noho ny amin’ireo olona eny ambony manda mihaino antsika.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Dia hoy i Eliakima dekà tamin’ilay asirianina: «Mba teny aramianina re atao aminay, satria azonay ihany izany; fa aza itenenana hebreo izahay noho ny amin’ireo olona eny ambony manda mihaino antsika.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Dia hoy Eliakima sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake: Masìna hianao, teny Syriana no ataovy amin’ny mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy ho ren’ny olona eny ambonin’ny mànda.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Dia hoy Eliakima sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake: Masìna ianao, teny Syriana no ataovy amin'ny mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy ho ren'ny olona eny ambonin'ny manda.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Dia hoy i Eliakima sy i Sebna ary i Joa tamin’i Rabsake: Miangavy anao aho, teny arameana no ataovy amin’ny mpanomponao, fa fantatray ihany izany, fa aza manao teny jiosy ho ren’ny olona eny ambonin’ny manda.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 36:11
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary tamin’ny andron’i Artakserksesa, i Beselama, i Mitridata, i Tabeela, mbamin’ireo namany sisa, dia nanoratra ho any amin’i Artakserksesa mpanjakan’i Persa; tarehin-tsoratra arameanina no nanoratany ny taratasy, ary nadikany ho fiteny arameanina.


Izao no nolazain’ny Tompo Iavehn’ny tafika: «Mandehana manatona an’io mpitandrina io, dia i Sobnà, lehiben’ny ao an-dapa, ka lazao aminy hoe:


Ary izao no hitranga amin’izany andro izany: Hiantso ny mpanompoko aho, dia i Eliasima zanak’i Helkiasa,


«Moa ny tomponao sy ianao va, no nanirahan’ny tompoko ahy, hilaza izany teny izany; fa tsy ireo olona mipetraka eo ambony manda hihinana ny dikiny sy hisotro ny ditsany miaraka aminareo?»


Dia nandroso ny lehiben’ny mpandroso divay ka nanao feo avo niantso tamin’ny teny jodaika nanao hoe: Mihainoa, ianareo, ny tenin’ny mpanjaka lehibe, mpanjakan’i Asiria!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra