Tongan’i Fola mpanjakan’i Asiria, ny tany, ary nomen’i Manahema talenta volafotsy arivo i Fola mba hamonjy azy sy hanamafy ny fanjakana eo an-tanany.
2Tantara 32:1 - Baiboly Katolika Taorian’ireo zavatra aman’asa marina ireo, no niainga i Senakeriba mpanjakan’i Asiria, ka nidina tany Jodà, dia nanorina toby hamely ny tanàna mimanda, ary nikendry ny hahafaka azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Taorianan’izany raharaha natao tamim-pahamarinana izany dia avy i Sankeriba, mpanjakan’i Asiria, niditra tany Joda ary nanao fahirano ny tanàna mimanda ka nikendry hahazo azy. DIEM PROTESTANTA Taorian’izany zava-nitranga sy fanehoam-piraiketam-po tamin’Andriamanitra izany, dia tonga tao Joda i Saneheriba mpanjakan’i Asiria ary nanao fahirano ny tanànamimanda ka nikendry haka azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Taorian’izany zava-nitranga sy fanehoam-piraiketam-po tamin’Andriamanitra izany, dia tonga tao Joda i Saneheriba mpanjakan’i Asiria ary nanao fahirano ny tanànamimanda ka nikendry haka azy. Baiboly Protestanta Malagasy ARY rehefa afaka izany raharaha marina izany, dia avy Sankeriba, mpanjakan’i Asyria, niditra tany Joda ary nanao fahirano ny tanàna mimànda ka nikasa hanafaka azy. Malagasy Bible Ary rehefa afaka izany raharaha marina izany, dia avy Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, niditra tany Joda ary nanao fahirano ny tanàna mimanda ka nikasa hanafaka azy. La Bible en Malgache Taorianan’izany raharaha natao tamim-pahamarinana izany dia avy i Sankeriba, mpanjakan’i Asiria, niditra tany Joda ary nanao fahirano ny tanàna mimanda ka nikendry hahazo azy. |
Tongan’i Fola mpanjakan’i Asiria, ny tany, ary nomen’i Manahema talenta volafotsy arivo i Fola mba hamonjy azy sy hanamafy ny fanjakana eo an-tanany.
Nony tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Osea dia azon’ny mpanjakan’i Asiria i Samaria, ka nentiny ho babo tany Asiria i Israely namponeniny tany Halà, teo amoron’i Habôra, ony any Gôsàna, ary teny amin’ny tanànan’i Meda.
Dia nentin’ny mpanjakan’i Asiria ho babo tany Asiria i Israely, ka namponeniny tao Halà, teo amoron’i Habôra, onin’i Gôsàna, ary teny amin’ny tanànan’i Meda,
Koa ankehitriny, Iaveh Andriamanitra ô, vonjeo amin’ny tanan’i Senakeriba izahay, mba hahafantaran’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany fa Ianao irery, ry Iaveh ô, no Andriamanitra.»
Tatỳ aorian’izany rehetra izany, rehefa voamboatr’i Josiasa ny tranon’i Iaveh, dia niakatra hiady ao Karikamisa amoron’i Eofrata, i Nekô mpanjakan’i Ejipta: ka dia nivoaka hitsena azy i Josiasa.
Indray andro sisa, dia any Nobe izy; hanainga tanana hamely ny tendrombohitry ny zanaka vavin’i Siôna izy, hamely ny havoan’i Jerosalema!...
Tamin’ny taona faha-14, nanjakan’i Ezekiasa, niakatra i Senakeriba, mpanjakan’i Asiria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Jodà, ka nahafaka ireny.
Tsy hiverina ho any amin’ny tany Ejipta izy; ary i Asora no ho mpanjakany, noho izy tsy nety nibebaka.
Miakatra eo alohan’izy ireo, ny mpanabanga. Izy ireo koa manabanga, miditra ny vavahady, ary mivoaka aminy koa; ny mpanjaka no mandroso eo anoloany, ary i Iaveh no mitarika azy.