Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 32:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Taorian’izany zava-nitranga sy fanehoam-piraiketam-po tamin’Andriamanitra izany, dia tonga tao Joda i Saneheriba mpanjakan’i Asiria ary nanao fahirano ny tanànamimanda ka nikendry haka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Taorianan’izany raharaha natao tamim-pahamarinana izany dia avy i Sankeriba, mpanjakan’i Asiria, niditra tany Joda ary nanao fahirano ny tanàna mimanda ka nikendry hahazo azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Taorian’izany zava-nitranga sy fanehoam-piraiketam-po tamin’Andriamanitra izany, dia tonga tao Joda i Saneheriba mpanjakan’i Asiria ary nanao fahirano ny tanànamimanda ka nikendry haka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Taorian’ireo zavatra aman’asa marina ireo, no niainga i Senakeriba mpanjakan’i Asiria, ka nidina tany Jodà, dia nanorina toby hamely ny tanàna mimanda, ary nikendry ny hahafaka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY rehefa afaka izany raharaha marina izany, dia avy Sankeriba, mpanjakan’i Asyria, niditra tany Joda ary nanao fahirano ny tanàna mimànda ka nikasa hanafaka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary rehefa afaka izany raharaha marina izany, dia avy Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, niditra tany Joda ary nanao fahirano ny tanàna mimanda ka nikasa hanafaka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Taorianan’izany raharaha natao tamim-pahamarinana izany dia avy i Sankeriba, mpanjakan’i Asiria, niditra tany Joda ary nanao fahirano ny tanàna mimanda ka nikendry hahazo azy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 32:1
16 Rohy Ifampitohizana  

Niditra an-keriny tao amin’ny tanin’i Israely i Pola mpanjakan’i Asiria; ka nomen’i Menahema volafotsy telopolo taonina izy mba hanampiany azy hanamafy orina ny fahefàm-panjakany.


Tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Hôsea no nahazoan’ny mpanjakan’i Asiria an’i Samaria; ka dia nataony sesitany tany Asiria ny Israelita tavaratra ary namponeniny tao Halà sy tao Gôzàna teo amoron’ny ony Habôra ary teny amin’ny tanànan’i Media.


Ary nentin’ny mpanjakan’i Asiria ho babo tany Asiria ny Israelita ka napetrany tao amin’i faritr’i Halà sy tao Gôzàna teo amoron’ny ony Habôra ary tao amin’ireo tanànan’i Media.


Fa ankehitriny kosa ry TOMPO Andriamanitray ô, vonjeo tsy ho azon’ny tanan’i Saneheriba izahay mba hahafantaran’ny fanjakana rehetra etỳ an-tany fa Ianao irery ihany, TOMPO ô, no Andriamanitra.»


Rehefa hitan’i Hezekià fa tonga i Saneheriba ka nikasa hamely an’i Jerosalema,


Ankoatra izany rehetra izany, nony efa voavoatran’i Jôsià ny tempoly, dia niakatra i Nekao mpanjakan’i Ejipta mba hiady any Karkemisy eo amoron’i Eofrata; tamin’izay i Jôsià no niainga hifanehatra aminy.


Fa androtr’io ihany ny fahavalo dia maka toerana ao Nôba, ka maninji-tanana mandrahona an’i Tsiôna, dia ilay tendrombohitra mampahonena, ilay havoana iorenan’i Jerosalema.


Tamin’ny taona faha-14 nanjakàn’i Hezekià no nahatongavan’i Saneheriba mpanjakan’i Asiria hanafika ny tanànamimanda rehetra tany Joda ka nahazoany ireny.


Koa niainga teo i Saneheriba mpanjakan’i Asiria mba handeha hiverina any Ninive ary nijanona tany.


«Tsy hiverina any Ejipta ny vahoakan’i Israely; fa i Asiria kosa no hanjaka aminy, satria tsy nety niverina tamiko izy.


Miakatra eo alohanareo ny mpamaky lalana; dia hamaky ny vavahady ianareo ary hivoaka ny tanàna. Izy TOMPO, mpanjakanareo, no mandeha mitarika eo alohanareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra