Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 3:7 - Baiboly Katolika

Nopetahany volamena ny trano, dia ny sakamandimby, ny tolàna, ny rindrina, ny varavarana, ary nasiana kerobima nosokirina ny rindrina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nopetahany takelaka volamena ny Trano, dia ny rairainy, ny tokonany, ny rindriny ary ny lelam-baravarany; nasiany sarin’ny kerobima koa ny rindrina.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nopetahana takela-bolamena hatramin’ny rairainy sy ny tokonana ary ny rindrina sy ny lelambaravarana; ary nanaovany sary sikotra kerobima koa ny rindrina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nopetahana takela-bolamena hatramin’ny rairainy sy ny tokonana ary ny rindrina sy ny lelambaravarana; ary nanaovany sary sikotra kerobima koa ny rindrina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nopetahany takela-bolamena ny trano, dia ny rairainy sy ny tokonany sy ny rindriny ary ny lela-varavarany; ary nosoratany nasiany sarin’ny kerobima ny rindrina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nopetahany takela-bolamena ny trano, dia ny rairainy sy ny tokonany sy ny rindriny ary ny lela-varavarany; ary nosoratany nasiany sarin'ny kerobima ny rindrina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nopetahany takelaka volamena ny Trano, dia ny rairainy, ny tokonany, ny rindriny ary ny lelam-baravarany; nasiany sarin’ny kerobima koa ny rindrina.

Jereo ny toko



2Tantara 3:7
6 Rohy Ifampitohizana  

Nopetahany vato soa ny trano handravahana azy, ary ny volamena dia avy any Parvaima.


«Ny hanaovana ny Fonenana dia ambainy folo; ny hanaovana azy ireo dia amin’ny rongony madinika voahasina, sy amin’ny jaky volomparasy, amin’ny kajy mangatrakatraka, ary amin’ny lamba mena antitra, asiana kerobima, asan-tanan’ny mpanenona mahay.


Petaho takela-bolamena ny hazo fisaka; ataovy volamena ny masom-bola hitoeran’ny barany, ary petaho takela-bolamena ny barany.


Ireo firavany izay nihaingoany, dia nataony reharehany; namoronany ny fahavetavetany, dia ny sampiny. Koa dia hovako ho zezika daholo izany rehetra izany;