Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 27:3 - Baiboly Katolika

Nanao ny vavahady ambony amin’ny tranon’i Iaveh i Joatama, sy nandrafitra trano maro teo ambonin’ny mandan’i Ofela.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izy no nanamboatra ny vavahady ambony amin’ny tranon’NY TOMPO sady nanorina asa rafitra betsaka tamin’ny mandan’i Ofela koa.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

I Jôtama no nanamboatra ny vavahady ambony tamin’ny tranon’ny TOMPO sady nanatontosa rafitra be tamin’ny mandan’i Hôfela.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

I Jôtama no nanamboatra ny vavahady ambony tamin’ny tranon’ny TOMPO sady nanatontosa rafitra be tamin’ny mandan’i Hôfela.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izy no nanamboatra ny vavahady ambony amin’ny tranon’i Jehovah sady nandrafitra be tamin’ny màndan’i Ofela koa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izy no nanamboatra ny vavahady ambony amin'ny tranon'i Jehovah sady nandrafitra be tamin'ny mandan'i Ofela koa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izy no nanamboatra ny vavahady ambony amin’ny tranon’NY TOMPO sady nanorina asa rafitra betsaka tamin’ny mandan’i Ofela koa.

Jereo ny toko



2Tantara 27:3
6 Rohy Ifampitohizana  

Ny fitoerana avo anefa mbola tsy foana, notohizin’ny vahoaka ny fanaterana sorona aman-java-manitra teny amin’ny fitoerana avo. I Joatama no nanao ny vavahady ambony amin’ny tranon’i Iaveh.


Dia nalainy ny tompon-jato, ny olo-manan-kaja, ny manam-pahefana amin’ny vahoaka, mbamin’ny vahoaka rehetra amin’ny tany, ka nentiny nidina avy ao an-tranon’i Iaveh ny mpanjaka; dia niditra tao an-tranon’ny mpanjaka izy ireo, nihazo ny vavahady ambony, ary nametraka ny mpanjaka teo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakana.


Tatỳ aorian’izany, nanao manda teo ivelan’ny tanànan’i Davida izy, teo andrefana mankany Gihôna amin’ny lohasaha hatrany amin’ny vavahadin-Kazandrano hanodidina an’i Ofela, sady nasondrony avo dia avo. Ary nametrahany mpifehy miaramila ny tanàna mimanda rehetra amin’i Jodà.


Ary nikapoka an’i Jeremia mpaminany i Fasora, nampamatotra azy amin’ny boloky hazo, tao amin’ny vavahady Avon’i Benjamina izay ao amin’ny tranon’i Iaveh.


Nony nandre izany zavatra izany ny loholon’i Jodà, dia niakatra avy any an-tranon’ny mpanjaka izy, nankao an-tranon’i Iaveh, ka nipetraka teo anoloan’ny vavahady Vaovao amin’ny tranon’i Iaveh.