20 Dia nalainy ny tompon-jato, ny olo-manan-kaja, ny manam-pahefana amin’ny vahoaka, mbamin’ny vahoaka rehetra amin’ny tany, ka nentiny nidina avy ao an-tranon’i Iaveh ny mpanjaka; dia niditra tao an-tranon’ny mpanjaka izy ireo, nihazo ny vavahady ambony, ary nametraka ny mpanjaka teo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakana.
20 Dia nalainy ny mpifehy zato sy ny olona manankaja sy ny mpanapaka ny olona ary ny vahoaka rehetra; dia noentiny nidina avy tao amin’ny tranon’NY TOMPO ny mpanjaka, koa ny vavahady ambony no nalehany hankao an-tranon’ny mpanjaka; dia nametraka ny mpanjaka teo amin’ny sezafiandrianan’ny fanjakana izy.
20 Dia novorin’i Jôiadà ny mpifehy andia-miaramila sy ny loholona ary ny manampahefana mbamin’ny vahoaka rehetra; ary nentina avy tao an-tranon’ny TOMPO ity mpanjaka, ka ny vavahady ambony no nandalovana hanatitra azy ao an-dapany. Rehefa tafapetraka teo amin’ny sezafiandrianana maha-mpanjaka azy i Jôasy,
20 Dia novorin’i Jôiadà ny mpifehy andia-miaramila sy ny loholona ary ny manampahefana mbamin’ny vahoaka rehetra; ary nentina avy tao an-tranon’ny TOMPO ity mpanjaka, ka ny vavahady ambony no nandalovana hanatitra azy ao an-dapany. Rehefa tafapetraka teo amin’ny sezafiandrianana maha-mpanjaka azy i Jôasy,
20 Dia nalainy ny mpifehy zato sy ny olona manan-kaja sy ny mpanapaka ny olona ary ny vahoaka rehetra; ary dia nentiny nidina avy tao an-tranon’i Jehovah ny mpanjaka, ka ny vavahady ambony no nalehany hankao an-tranon’ny mpanjaka; ary nametraka ny mpanjaka teo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakana izy.
20 Dia nalainy ny mpifehy zato sy ny olona manan-kaja sy ny mpanapaka ny olona ary ny vahoaka rehetra; ary dia nentiny nidina avy tao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ka ny vavahady ambony no nalehany hankao an-tranon'ny mpanjaka; ary nametraka ny mpanjaka teo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana izy.
i Jôiadà mpisorona, dia nalainy avokoa ny tompon-jato, ny Karianina, ny mpihazakazaka, mbamin’ny vahoaka rehetra tamin’ny tany, ka nentiny nidina avy ao an-tranon’i Iaveh ny mpanjaka, dia niditra tao an-dapan’ny mpanjaka tamin’ny vavahadin’ny mpihazakazaka, ka nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’ny mpanjaka i Jôasa.