Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 22:1 - Baiboly Katolika

I Okoziasa zanak’i Jôrama faralahy no nampanjakain’ny mponina ao Jerosalema handimby azy, fa ireo zokiny rehetra, efa matin’ny mpitoha ady niara-tonga tamin’ny Arabo, tao an-toby. Izany no nanjakan’i Okoziasa zanak’i Jôrama mpanjakan’i Jodà.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nampanjaka an’i Ahazia, faralahin’i Jehorama, handimby azy ny mponina tany Jerosalema; fa ny zokiny rehetra izay nanaraka ny Arabo hatrany an-toby dia efa matin’ny andian-tafika avokoa. Koa i Ahazia, zanak’i Jehorama, mpanjakan’ny Joda, no nanjaka.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary ny mponin’i Jerosalema nampanjaka an’i Ahazià, faralahin’i Jôrama, handimby azy; fa ny zokiny rehetra efa matin’ny andian’olona mpanaraka ny Arabo hatrany an-toby avokoa. Izany no nahatonga an’i Ahazià ho mpanjakan’i Joda.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary ny mponin’i Jerosalema nampanjaka an’i Ahazià, faralahin’i Jôrama, handimby azy; fa ny zokiny rehetra efa matin’ny andian’olona mpanaraka ny Arabo hatrany an-toby avokoa. Izany no nahatonga an’i Ahazià ho mpanjakan’i Joda.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY ny mponina tany Jerosalema nampanjaka an’i Ahazia, faralahin’i Jehorama, handimby azy; fa ny zokiny rehetra efa matin’ny mpitoha ady izay nanaraka ny Arabo hatrany an-toby avokoa. Koa Ahazia, zanak’i Jehorama, mpanjakan’ny Joda, no nanjaka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny mponina tany Jerosalema nampanjaka an'i Ahazia, faralahin'i Jehorama, handimby azy; fa ny zokiny rehetra efa matin'ny mpitoha ady izay nanaraka ny Arabo hatrany an-toby avokoa. Koa Ahazia, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda, no nanjaka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nampanjaka an’i Ahazia, faralahin’i Jehorama, handimby azy ny mponina tany Jerosalema; fa ny zokiny rehetra izay nanaraka ny Arabo hatrany an-toby dia efa matin’ny andian-tafika avokoa. Koa i Ahazia, zanak’i Jehorama, mpanjakan’ny Joda, no nanjaka.

Jereo ny toko



2Tantara 22:1
12 Rohy Ifampitohizana  

dia nahita ireo rahalahin’i Okoziasa i Jehò ka nanao hoe: «Iza ianareo?» Ary hoy ny navalin’ireo: «Rahalahin’i Okoziasa izahay, ary midina hamangy ny zanaka lahin’ny mpanjaka, sy ny zanaka lahin’ny andriambavy.»


Tamin’ny taona fahadimin’ny nanjakan’i Jôrama zanak’i Akaba mpanjakan’i Israely, raha mbola mpanjakan’i Jodà i Jôsafata, no vao nanjakan’i Jôrama zanak’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà.


Ary niantso ny anankiray amin’ny zanaky ny mpaminany i Elisea mpaminany, ka nanao hoe: «Misikìna ianao; raiso eo an-tananao ity tavoara misy diloilo ity, ka mankanesa any Ramôta any Galaada.


i Jôrama zanany, i Okoziasa zanany, i Jôasa zanany,


Ary 42 taona izy, fony vao nanjaka; ary herintaona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Atalia zanak’i Amrỳ.


Nanao fanekena tamin’ny mpanjaka tao an-tranon’Andriamanitra avokoa ny fiangonana rehetra teo. Hoy i Jôiadà tamin’izy ireo: «Indro hanjaka ny zanaky ny mpanjaka araka ny voalazan’i Iaveh, ny amin’ny taranak’i Davida.


Ary i Amasiasa, mpanjakan’i Jodà zanak’i Jôasy, zanak’i Jôakaza, dia nosamborin’i Jôasy mpanjakan’i Israely tany Betsamesa, nentiny nankany Jerosalema dia nandravany zato hakiho ny mandan’i Jerosalema, hatramin’ny vavahadin’i Efraima ka hatramin’ny vavahady an-jorony;


I Oziasa izay efa 16 taona, no nalain’ny vahoaka rehetra amin’i Jodà, ka nampanjakainy handimby an’i Amasiasa rainy.


Fa novonoin’ny vahoaka tamin’ny tany kosa izay rehetra niray tetika hamely an’i Amôna. Dia i Josiasa zanany no natsangan’ny vahoaka tamin’ny tany ho mpanjaka hisolo azy.


I Jôakaza, zanak’i Josiasa, no nalain’ny vahoaka tamin’ny tany nampanjakainy handimby an-drainy, tao Jerosalema.