Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 22:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Ary ny mponin’i Jerosalema nampanjaka an’i Ahazià, faralahin’i Jôrama, handimby azy; fa ny zokiny rehetra efa matin’ny andian’olona mpanaraka ny Arabo hatrany an-toby avokoa. Izany no nahatonga an’i Ahazià ho mpanjakan’i Joda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Nampanjaka an’i Ahazia, faralahin’i Jehorama, handimby azy ny mponina tany Jerosalema; fa ny zokiny rehetra izay nanaraka ny Arabo hatrany an-toby dia efa matin’ny andian-tafika avokoa. Koa i Ahazia, zanak’i Jehorama, mpanjakan’ny Joda, no nanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Ary ny mponin’i Jerosalema nampanjaka an’i Ahazià, faralahin’i Jôrama, handimby azy; fa ny zokiny rehetra efa matin’ny andian’olona mpanaraka ny Arabo hatrany an-toby avokoa. Izany no nahatonga an’i Ahazià ho mpanjakan’i Joda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 I Okoziasa zanak’i Jôrama faralahy no nampanjakain’ny mponina ao Jerosalema handimby azy, fa ireo zokiny rehetra, efa matin’ny mpitoha ady niara-tonga tamin’ny Arabo, tao an-toby. Izany no nanjakan’i Okoziasa zanak’i Jôrama mpanjakan’i Jodà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY ny mponina tany Jerosalema nampanjaka an’i Ahazia, faralahin’i Jehorama, handimby azy; fa ny zokiny rehetra efa matin’ny mpitoha ady izay nanaraka ny Arabo hatrany an-toby avokoa. Koa Ahazia, zanak’i Jehorama, mpanjakan’ny Joda, no nanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary ny mponina tany Jerosalema nampanjaka an'i Ahazia, faralahin'i Jehorama, handimby azy; fa ny zokiny rehetra efa matin'ny mpitoha ady izay nanaraka ny Arabo hatrany an-toby avokoa. Koa Ahazia, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda, no nanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Nampanjaka an’i Ahazia, faralahin’i Jehorama, handimby azy ny mponina tany Jerosalema; fa ny zokiny rehetra izay nanaraka ny Arabo hatrany an-toby dia efa matin’ny andian-tafika avokoa. Koa i Ahazia, zanak’i Jehorama, mpanjakan’ny Joda, no nanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 22:1
12 Rohy Ifampitohizana  

dia nifanena tamin’ireo rahalahin’i Ahazià mpanjakan’i Joda, ka nanontany azy hoe: –Fa iza ange ianareo? Ary hoy ny navaliny: –Rahalahin’i Ahazià izahay, ka tonga mba hamangy ireo zanakalahin’i Jezebela mpanjakavavy sy ny hafa rehetra taranaky ny mpanjaka.


Tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Jôrama zanakalahin’i Ahaba sady mpanjakan’i Israely no tonga mpanjakan’i Joda i Jôrama zanakalahin’i Jôsafata, na dia mbola mpanjakan’i Joda aza i Jôsafata. Feno 32 taona izy fony vao nanjaka,


Indray andro i Elisà mpaminany dia niantso tovolahy iray anisan’ny andia-mpaminany ka nanao taminy hoe: –Mivonòna ianao handeha, ka ento ity tavoara feno menaka ity, ary mankanesa any Ramôta-Gilehada.


i Jôrama zanakalahin’i Jôsafata, i Ahazià zanakalahin’i Jôrama, i Jôasy zanakalahin’i Ahazià,


Feno 22 taona izy fony vao nanjaka; ary herintaona ihany no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Hatalià, zafikelin’i Hômrỳ.


Ary ny olona rehetra vory teo dia nanao fanekempihavanana tao an-tranon’Andriamanitra ny amin’ny mpanjaka, sady nilazan’i Jôiadà hoe: –Indro i Jôasy zanakalahin’ny mpanjaka. Izy no tokony hanjaka araka ny nampanantenain’ny TOMPO ny amin’ny taranak’i Davida.


Tao Bety-Semesy no voasambotr’i Jôasy mpanjakan’i Israely i Amatsià, zanakalahin’i Jôasy sy zafin’i Ahazià sady mpanjakan’i Joda, ka nentiny nankany Jerosalema; ary nandravan’i Jôasy roanjato metatra ny mandan’i Jerosalema hatreo amin’ny vavahadin’i Efraîma ka hatrany amin’ny vavahady anjorony.


Vao 16 taona i Hozià no nalain’ny vahoaka jodeanina rehetra ka notendreny ho mpanjaka handimby an’i Amatsià rainy.


Fa mba nataon’ny mponin’i Joda maty kosa izay rehetra nikomy tamin’i Amôna mpanjaka; ka dia i Jôsià zanany lahy no voatendriny ho mpanjaka handimby azy.


Nalain’ny mponin’i Joda kosa i Jôahaza zanakalahin’i Jôsià ka nataony mpanjaka tao Jerosalema handimby an-drainy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra