Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 33:25 - Baiboly Katolika

25 Fa novonoin’ny vahoaka tamin’ny tany kosa izay rehetra niray tetika hamely an’i Amôna. Dia i Josiasa zanany no natsangan’ny vahoaka tamin’ny tany ho mpanjaka hisolo azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Fa ny vahoaka kosa dia namono izay rehetra efa nikomy tamin’i Amona mpanjaka, dia nampanjaka an’i Josia zanany hisolo azy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

25 Fa mba nataon’ny mponin’i Joda maty kosa izay rehetra nikomy tamin’i Amôna mpanjaka; ka dia i Jôsià zanany lahy no voatendriny ho mpanjaka handimby azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Fa mba nataon’ny mponin’i Joda maty kosa izay rehetra nikomy tamin’i Amôna mpanjaka; ka dia i Jôsià zanany lahy no voatendriny ho mpanjaka handimby azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Fa ny vahoaka kosa namono izay rehetra efa nikomy tamin’i Amona mpanjaka, dia nampanjaka an’i Josia zanany hisolo azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Fa ny vahoaka kosa namono izay rehetra efa nikomy tamin'i Amona mpanjaka, dia nampanjaka an'i Josia zanany hisolo azy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 33:25
8 Rohy Ifampitohizana  

Nony tafapetraka tsara tamin’ny fanjakany izy dia novonoiny ireo mpanompony namono ny mpanjaka rainy,


I Oziasa izay efa 16 taona, no nalain’ny vahoaka rehetra amin’i Jodà, ka nampanjakainy handimby an’i Amasiasa rainy.


Niray tetika hamely azy ny mpanompony, dia namono azy ho faty tao an-tranony.


Valo taona i Josiasa fony vao nanjaka, ary 31 taona no nanjakany tao Jerosalema.


I Jôakaza, zanak’i Josiasa, no nalain’ny vahoaka tamin’ny tany nampanjakainy handimby an-drainy, tao Jerosalema.


Aza mandray avotra aina amin’ny mpamono olona mendrika hovonoina noho ny heloka nataony, fa tsy maintsy atao maty izy.


Aza mandoto ny tany onenanareo, fa ny ra no mandoto ny tany, ary tsy misy fanavotana ny tany amin’ny ra nalatsaka afa-tsy ny ran’ny nandatsaka azy ihany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra