Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 20:3 - Baiboly Katolika

Raiki-tahotra i Jôsafata ka dia ny hangata-bonjy amin’i Iaveh no nahatapahan’ny heviny, ary nanendry andro fifadian-kanina hataon’i Jodà rehetra izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia natahotra i Josafata ka nanatrika tsara hitady NY TOMPO sady niantso andro fifadian-kanina ho an’ny tanin’ny Joda rehetra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia natahotra i Jôsafata ka nanapa-kevitra hanontany ny TOMPO sady niantso andro fifadian-kanina manerana an’i Joda manontolo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia natahotra i Jôsafata ka nanapa-kevitra hanontany ny TOMPO sady niantso andro fifadian-kanina manerana an’i Joda manontolo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia natahotra Josafata ka nanatrika tsara hitady an’i Jehovah sady niantso andro fifadian-kanina ho an’ny tanin’ny Joda rehetra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia natahotra Josafata ka nanatrika tsara hitady an'i Jehovah sady niantso andro fifadian-kanina ho an'ny tanin'ny Joda rehetra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia natahotra i Josafata ka nanatrika tsara hitady NY TOMPO sady niantso andro fifadian-kanina ho an’ny tanin’ny Joda rehetra.

Jereo ny toko



2Tantara 20:3
20 Rohy Ifampitohizana  

Nanaraka azy ireo koa izay mikely aina amin’ny fo tokoa hitady an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, avy amin’ny firenen’i Israely rehetra, ka tonga tany Jerosalema hanatitra sorona ho an’i Iaveh Andriamanitry ny razany.


Saingy mba nisy soa hita taminao ihany, fa nesorinao tamin’ny tany ny aserah ary niraiki-po tamin’ny fitadiavana an’Andriamanitra ianao.»


raha manetry tena sy mivavaka ary mitady ny tavako ny vahoakako, izay iantsoana ny Anarako, ka miala amin’ny lalan-dratsiny, dia hihaino azy Aho any an-danitra, hamela ny fahotany Aho, sady hahasitrana ny taniny.


Tamin’ny andro faha-24n’izany volana izany, nivory hifady hanina ny zanak’i Israely, samy nitafy lasàka sy nanisy vovoka ny lohany.


Tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Jôakima zanak’i Josiasa mpanjakan’i Jodà, tamin’ny volana fahasivy, dia nisy fifadian-kanina nantsoina teo anatrehan’i Israely hataon’ny olona rehetra ao Jerosalema, sy ny olona rehetra tonga tao Jerosalema, avy any amin’ny tanànan’i Jodà.


Miantsoa fifadian-kanina; mamoria ny fiangonana; vorio ny loholona, izay rehetra monina amin’ny tany, ao an-tranon’i Iaveh Andriamanitrareo,


Fa izao lazain’i Iaveh, amin’ny taranak’i Israely: Tadiavo Aho, dia velomy ianareo.


ary aza matahotra izay mamono ny vatana fa tsy mahay mamono ny fanahy, fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin’ny afobe.


Niakatra nankany Betela ny zanak’i Israely rehetra sy ny vahoaka rehetra; nipetraka nitomany teo anatrehan’i Iaveh, nifady hanina mandra-paharivan’ny andro, nanolotra sorona dorana aman-tsorom-pihavanana teo anatrehan’i Iaveh,


Dia nivory tany Masfà izy ireo. Nanovo rano izy, nararany teo anatrehan’i Iaveh ary nifady hanina tamin’izany andro izany, fa hoy izy: «Efa nanota tamin’i Iaveh isika!» Ary i Samoela nitsara an’i Israely tany Masfà.