Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 20:11 - Baiboly Katolika

Kanjo indreo izy, ka ny handroaka anay hiala amin’ny lova nomenao hanananay kosa no valy omeny anay!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

nefa indreo, mamaly ratsy anay izy ka avy handroaka anay amin’ny lova nomenao anay.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

kanefa indreo izy namaly ratsy anay ka avy handroaka anay amin’ny tany nomenao ho fanananay.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

kanefa indreo izy namaly ratsy anay ka avy handroaka anay amin’ny tany nomenao ho fanananay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

nefa indreo izy mamaly ratsy anay ka avy handroaka anay amin’ny lova nomenao anay.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

nefa indreo izy mamaly ratsy anay ka avy handroaka anay amin'ny lova nomenao anay.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

nefa indreo, mamaly ratsy anay izy ka avy handroaka anay amin’ny lova nomenao anay.

Jereo ny toko



2Tantara 20:11
12 Rohy Ifampitohizana  

Ny Kananeanina tamin’izay no nitoetra tamin’ny tany. Niseho tamin’i Abrama i Iaveh ka nanao hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Ary teo i Abrama nanorina ôtely ho an’i Iaveh izay niseho taminy.


Vao tafavoaka ny tanàna, mbola tsy lavitra akory izy, dia hoy i Josefa tamin’ilay mpikarakarany: «Miaingà enjeho ireny olona ireny, ka rehefa mahatratra azy ianao dia lazao aminy hoe: ‹Nahoana ianareo no namaly ratsy ny soa?


Ry Andriamanitra ô, tsy hamoaka fitsarana an’ireo va Ianao? Fa izahay dia tsy manan-kery eo anatrehan’ireo vahoaka be tonga hamely anay ireo, ka tsy hitanay izay hataonay, fa Ianao no itodihan’ny masonay!»


mamaly ratsy ny soa izy amiko, ka latsaka am-pandaozana ny fanahiko.


Iaveh Andriamanitra ô, raha nanao izany aho, raha misy heloka eto an-tanako,


Izay mamaly ratsy ny soa, dia tsy hialan-doza mandrakizay ny tranony.


Dia ratsy va no havaly ny soa, no dia mihady lavaka ho an’ny fanahiko izy ireo? Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao, hiteny aminao mba ho azy ireo, hampiala ny hatezeranao amin’izy ireo!


Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Edôma, - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria nanenjika ny rahalahiny tamin’ny sabatra izy, fa namono ny fangoraham-po ary satria mamiravira lalandava ny hatezerany sy mitahiry ny lolom-pony hatramin’ny farany,


handroahany firenena maro sady matanjaka noho ianao teo anoloanao, mba hampidirany anao amin’ny taniny, sy hanomezany izany ho lovanao, araka izao ankehitriny izao.


«Matanjaha ary mahereza fo, fa ianao no hampanana ity firenena ity ny tany efa nianianako tamin’ny razany homena azy.