Nandry feizay i Jodà sy i Israely tamin’ny andro rehetra niainan’i Salômôna. Samy teo ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny avy, hatrany Dàna ka hatrany Bersabea.
2Tantara 2:4 - Baiboly Katolika Ny trano hataoko dia tsy maintsy ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny trano izay haoriko dia ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray. DIEM PROTESTANTA Ny tempoly hataoko dia ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ilay Andriamanitray. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny tempoly hataoko dia ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ilay Andriamanitray. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny trano efa hataoko dia lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray. Malagasy Bible Ary ny trano efa hataoko dia lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray. La Bible en Malgache Ary ny trano izay haoriko dia ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray. |
Nandry feizay i Jodà sy i Israely tamin’ny andro rehetra niainan’i Salômôna. Samy teo ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny avy, hatrany Dàna ka hatrany Bersabea.
kanefa hoy i Iaveh tamin’i Davida raiko: Rehefa nanan-kevitra hanao trano ho an’ny Anarako ianao, dia tsara ny nanaovanao izany hevitra izany.
Namono omby 22.000 ary ondry 120.000 i Salômôna hatao sorom-pihavanana nateriny tamin’i Iaveh. Toy izany no nitokanan’ny mpanjaka sy ny zanak’i Israely rehetra ny tranon’i Iaveh.
Hoy i Davida: «I Salômôna, zanako, mbola tanora sy malemy, ary ny trano hatao ho an’i Iaveh dia tsy maintsy ho kanto indrindra mba hahazo laza amam-boninahitra amin’ny tany rehetra, ka tiako ny mamonona zavatra ho azy.» Dia nahavonona be tokoa i Davida talohan’ny nahafatesany.
Ka izy ireo, dia mandoro sorona dorana hanetona amin’i Iaveh isan’andro marain-tsy hariva ary zava-manitra tsara fofona koa: ataony eo ambonin’ny latabatra madio ny mofo alahatra; ary ny fanaovan-jiro volamena mbamin’ny lalampiny dia ampirehetiny isan-kariva; satria tandremanay ny didin’i Iaveh Andriamanitray, fa ianareo kosa nandao Azy.
Nanisa olona 70.000 i Salômôna hitondra ny entana, 80.000 hipai-bato eny an-tendrombohitra, ary 3.600 hitandrina an’ireo.
Nataonay didy ho anay ny handoa ampahatelon-tsikla isan-taona, amin’ny momba ny fanompoana ao an-tranon’ny Andriamanitra,
Tsy misy toa Anao eo amin’ireo andriamanitra, tsy misy mahatakatra ny asanao, ry Tompo.
Fa lehibe sy mendrika ny fiderana rehetra, mahatahotra mihoatra noho izay andriamanitra rehetra Izy,
Eo no handoroan’i Aarôna ny emboka; isa-maraina no handoroany azy, rehefa mamboatra ny lalampy izy;