Ary i Hirama mpanjakan’i Tira, nandefa iraka tany amin’i Davida nitondra hazo sedera sy tambato ary mpandrafitra, hanao trano ho azy.
2Tantara 2:2 - Baiboly Katolika Naniraka tany amin’i Hirama mpanjakan’i Tira i Salômôna, hilaza hoe: Ataovy amiko ny nataon’i Davida raiko, izay nampanateranao sedera hanaovany trano hipetrahany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nandefa iraka hankany amin’i Hirama, mpanjakan’i Tiro, i Solomona, hilaza hoe: Tahaka ny nataonao tamin’i Davida raiko raha nampanatitra hazo sedera ho azy hanorenany trano hitoerany ianao, DIEM PROTESTANTA Naniraka olona hankany amin’i Hirama mpanjakan’i Tiro i Salômôna hanao hoe: «Tahaka ny nataonao tamin’i Davida raiko, izay nampanateranao hazo sedera hanaovany trano fonenana, no aoka hataonao amiko. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Naniraka olona hankany amin’i Hirama mpanjakan’i Tiro i Salômôna hanao hoe: «Tahaka ny nataonao tamin’i Davida raiko, izay nampanateranao hazo sedera hanaovany trano fonenana, no aoka hataonao amiko. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Solomona naniraka hankany amin’i Hirama, mpanjakan’i Tyro, hanao hoe: Tahaka ny nataonao tamin’i Davida raiko, raha nampanatitra hazo sedera ho azy hanaovany trano hitoerany hianao, Malagasy Bible Ary Solomona naniraka hankany amin'i Hirama, mpanjakan'i Tyro, hanao hoe: Tahaka ny nataonao tamin'i Davida raiko, raha nampanatitra hazo sedera ho azy hanaovany trano hitoerany ianao, La Bible en Malgache Nandefa iraka hankany amin’i Hirama, mpanjakan’i Tiro, i Solomona, hilaza hoe: Tahaka ny nataonao tamin’i Davida raiko raha nampanatitra hazo sedera ho azy hanorenany trano hitoerany ianao, |
Ary i Hirama mpanjakan’i Tira, nandefa iraka tany amin’i Davida nitondra hazo sedera sy tambato ary mpandrafitra, hanao trano ho azy.
«Ka aoka ho velona àry izy», hoy ireto filohany tamin’izy ireo. Dia natao mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an’ny fiangonana rehetra ireo, araka ny voalazan’ny filohany taminy.