I Sedesiasa zanak’i Kanaana, nanao tandro-by ho azy, ka nilaza hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Hototoinao amin’ireto tandroka ireto ny Sirianina, mandra-paharingany.»
2Tantara 18:23 - Baiboly Katolika Nanatona kosa i Sedesiasa zanak’i Kanaana, ka namely ny takolak’i Mikea nanao hoe: «Taiza no lalana nialan’ny fanahin’i Iaveh tamiko, hiteny aminao?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa nanatona i Zedekia, zanak’i Kenana, dia namely ny takolak’i Mikaia sady niteny hoe: Taiza no lalana nialan’ny Fanahin’NY TOMPO tamiko mba hiteny aminao? DIEM PROTESTANTA Tamin’izay dia nanatona an’i Mikaià i Tsedekià zanakalahin’i Kenahanà, ka namely tehamaina azy sady nanao hoe: –Niala tamiko ve ny Fanahin’ny TOMPO hiteny aminao? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izay dia nanatona an’i Mikaià i Tsedekià zanakalahin’i Kenahanà, ka namely tehamaina azy sady nanao hoe: –Niala tamiko ve ny Fanahin’ny TOMPO hiteny aminao? Baiboly Protestanta Malagasy Fa Zedekia, zanak’i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak’i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no làlana nialan’ny Fanahin’i Jehovah tamiko hiteny aminao? Malagasy Bible Fa Zedekia, zanak'i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak'i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no lalana nialan'ny Fanahin'i Jehovah tamiko hiteny aminao? La Bible en Malgache Fa nanatona i Zedekia, zanak’i Kenana, dia namely ny takolak’i Mikaia sady niteny hoe: Taiza no lalana nialan’ny Fanahin’NY TOMPO tamiko mba hiteny aminao? |
I Sedesiasa zanak’i Kanaana, nanao tandro-by ho azy, ka nilaza hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Hototoinao amin’ireto tandroka ireto ny Sirianina, mandra-paharingany.»
Dia namaly i Mikea hoe: «Ho hitanao izany amin’ny andro handehandehananao isan’efitrano hierenao.»
Ary nikapoka an’i Jeremia mpaminany i Fasora, nampamatotra azy amin’ny boloky hazo, tao amin’ny vavahady Avon’i Benjamina izay ao amin’ny tranon’i Iaveh.
Ary ianao, ry Betleema Efratà, kely tsy tokony ho isan’ireo arivon’i Jodà akory, avy aminao no hivoaka ho Ahy ilay tsy maintsy ho Mpanapaka amin’i Israely, ary ny niandohany dia efa hatramin’ny andro fahagola, hatramin’ny andro mandrakizay.
ka ny sasany nandrora Azy, dia nanarona ny Tavany, sy namely totohondry Azy ary nanao hoe: «Vinanio»; ny mpanompo avy no namely tehamaina Azy.