Nahafaly an’i Jodà rehetra erỳ izany fianianana izany, satria nianiana tamin’ny fony rehetra izy ireo, ary nitady an’i Iaveh an-tsitrapo tokoa, ka nety ho hitany Izy, ary nomen’i Iaveh fiadanana tamin’ny manodidina rehetra izy.
2Tantara 15:4 - Baiboly Katolika fa tao anatin’ny fahoriana izy ireo, dia nitodika an’i Iaveh Andriamaniny, dia nitady Azy, ka mba nety ho hitany Izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa rehefa niverina tamin’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, nony azom-pahoriana izy ka nitady Azy, dia nahita Azy. DIEM PROTESTANTA Fa rehefa azom-pahoriana izy, dia niverina tamin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, ka nitady Azy ary nahita Azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa rehefa azom-pahoriana izy, dia niverina tamin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, ka nitady Azy ary nahita Azy. Baiboly Protestanta Malagasy Fa raha niverina tamin’ Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy nony azom-pahoriana, ka nitady Azy, dia nahita Azy. Malagasy Bible Fa raha niverina tamin'Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy nony azom-pahoriana, ka nitady Azy, dia nahita Azy. La Bible en Malgache Fa rehefa niverina tamin’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, nony azom-pahoriana izy ka nitady Azy, dia nahita Azy. |
Nahafaly an’i Jodà rehetra erỳ izany fianianana izany, satria nianiana tamin’ny fony rehetra izy ireo, ary nitady an’i Iaveh an-tsitrapo tokoa, ka nety ho hitany Izy, ary nomen’i Iaveh fiadanana tamin’ny manodidina rehetra izy.
ka nandeha nitsena an’i Asà izy, sy nilaza taminy hoe: «Mihainoa ahy, ry Asà, mbaminareo Jodà sy Benjamina rehetra. Momba anareo i Iaveh raha momba azy ianareo; raha mitady Azy ianareo, dia hety ho hitanareo Izy, fa raha mahafoy Azy kosa ianareo, dia mba hahafoy anareo koa Izy.
Nony latsaka am-pahoriana izy vao nihanta an’i Iaveh Andriamaniny, nanetry tena lehibe teo anatrehan’ny Andriamanitry ny razany.
Mihainoa Ahy, ianareo izay manaraka ny marina, izay mitady an’i Iaveh. Diniho ny vatolampy nanendahana anareo; sy ny tany fihadiam-bato nangalana anareo.
Mitadiava an’i Iaveh, dieny mbola mety ho hita Izy; miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.
aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka amin’ny heviny; ka hiverina amin’i Iaveh izy, dia hamindrany fo; dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.
Koa lazao amin’izy ireo hoe: «Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Miverena amiko ianareo, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - dia hiverina aminareo Aho, - hoy i Iavehn’ny tafika.
Ny an’i Izaia indray aza no manoatra, fa hoy izy: «Hitan’izay tsy nitady Ahy Aho, ary niseho tamin’izay tsy nanontany Ahy.»