Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 15:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Fa rehefa azom-pahoriana izy, dia niverina tamin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, ka nitady Azy ary nahita Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Fa rehefa niverina tamin’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, nony azom-pahoriana izy ka nitady Azy, dia nahita Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Fa rehefa azom-pahoriana izy, dia niverina tamin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, ka nitady Azy ary nahita Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 fa tao anatin’ny fahoriana izy ireo, dia nitodika an’i Iaveh Andriamaniny, dia nitady Azy, ka mba nety ho hitany Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Fa raha niverina tamin’ Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy nony azom-pahoriana, ka nitady Azy, dia nahita Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Fa raha niverina tamin'Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy nony azom-pahoriana, ka nitady Azy, dia nahita Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Fa rehefa niverina tamin’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, nony azom-pahoriana izy ka nitady Azy, dia nahita Azy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 15:4
15 Rohy Ifampitohizana  

Nifalian’i Joda tsivakivolo io fianianana io, satria tamin’ny fony manontolo no nanaovany azy ary tamin’ny finiavany manontolo no nitadiavany ny TOMPO; ka dia nahita Azy tokoa ireo sady nomeny fiadanana tamin’ny sisin-tany manodidina.


ka niainga hitsena an’i Asà izy ary nanao taminy hoe: –Mihainoa ahy, ry Asà mbaminareo Jodeanina sy i Benjaminita rehetra. Miaraka aminareo ny TOMPO, raha miaraka aminy ianareo. Raha mitady Azy ianareo, dia hahita Azy; fa raha mandao Azy ianareo, dia hilaozany.


Rehefa nianjadiam-pahoriana mafy izy, vao nitaraina tamin’ny TOMPO Andriamaniny sady niaiky heloka teo anatrehan’ilay Andriamanitry ny razany


Hitany ny fijalian’ireo ary reny ny fitarainany.


«Mihainoa Ahy ianareo mikatsa-panafahana, dia ianareo mitady Ahy, hoy ny TOMPO: Jereo ny vatolampy izay nangalana anareo sy ny ati-lavaka nisintonana anareo:


Tadiavo ny TOMPO, dieny mbola manaiky ho hita, antsoy Izy, dieny mbola akaiky anareo.


Aoka ny olon-dratsy handao ny fanaony, ary ny mpanao ratsy hahafoy ny heviny. Aoka hiverina amin’ny TOMPO ireny fa hamindra fo aminy Izy. Aoka hiverina amin’Andriamanitsika ireny fa hihoa-pampana ny famelan-keloka homeny azy.


Hoy ianareo roa tonta hoe: «Ndeha hiverina amin’ny TOMPO isika; fa Izy no nahatonga ny ratrantsika, nefa Izy ihany no hahasitrana antsika. Izy no nikapoka antsika nefa Izy no hitsabo ny ferintsika.


Kanefa hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao hoe: Miverena amiko ianareo, dia mba hiverina aminareo Aho. Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany.


Fa i Isaià aza dia sahy milaza hoe: «Nanaiky ho hitan’izay tsy nitady Ahy Aho, hoy Andriamanitra, ary niseho niharihary tamin’izay tsy nanontany Ahy.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra