I Iaveh Andriamanitr’i Israely no nitokiany, koa dia tsy nisy tahaka azy tamin’ny mpanjakan’i Jodà rehetra, na ny tatỳ aoriany, na ny tany alohany.
2Tantara 13:18 - Baiboly Katolika Naetry ny zanak’i Israely tamin’izany andro izany, fa nihamahery kosa ny taranak’i Jodà, satria niankina tamin’i Iaveh Andriamanitry ny razany izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Toy izany no nampietrena ny Zanak’Israely fehizay; ary ny taranak’i Joda no nahery, satria niankina tamin’NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, izy. DIEM PROTESTANTA Tamin’izany fotoana izany no nampietrena ny Israelita; nandresy kosa ny Jodeanina satria niankina tamin’ny TOMPO Andriamanitry ny razany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izany fotoana izany no nampietrena ny Israelita; nandresy kosa ny Jodeanina satria niankina tamin’ny TOMPO Andriamanitry ny razany. Baiboly Protestanta Malagasy Toy izany no nampietrena ny Zanak’Isiraely fahizay; ary ny taranak’i Joda no nahery, satria niankina tamin’i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy. Malagasy Bible Toy izany no nampietrena ny Zanak'isiraely fahizay; ary ny taranak'i Joda no nahery, satria niankina tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy. La Bible en Malgache Toy izany no nampietrena ny Zanak’Israely fehizay; ary ny taranak’i Joda no nahery, satria niankina tamin’NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, izy. |
I Iaveh Andriamanitr’i Israely no nitokiany, koa dia tsy nisy tahaka azy tamin’ny mpanjakan’i Jodà rehetra, na ny tatỳ aoriany, na ny tany alohany.
Nisy nanampy azy hamely an’ireo ka voatolotra teo an-tanany ny Agareanina mbamin’izay rehetra nomba azy. Fa nitaraina tamin’Andriamanitra izy ireo, teo am-piadiana, ka nohenoiny noho ny fitokiany Azy.
Ka nataon’i Abià sy ny vahoakany lambam-bary, ka nisy lehilahy voafantina 500.000 no maty niampatrampatra tamin’i Israely.
Notanahin’i Abià i Jerôbôama, ka nahazoany ireto tanàna ireto: i Betela sy ny tanàna momba azy, i Jesàna sy ny tanàna momba azy, i Efrôna sy ny tanàna momba azy.
Niantso an’i Iaveh Andriamaniny i Asà ka nanao hoe: «Iaveh ô, azonao vonjena mora foana ny malemy tahaka ny mahery, ka vonjeo izahay, ry Iaveh Andriamanitray! Fa Ianao no iankinanay, ary amin’ny Anaranao no nandrosoanay hiady amin’ireto vahoaka be ireto, Ianao no Andriamanitray, ry Iaveh: aza maharesy Anao anie ny olona!»
Nony ampitso, nifoha maraina koa izy ireo, dia niainga nankany an’efitr’i Tekôe. Ilay lasa iny izy, dia nitsangana teo i Jôsafata, ka nanao hoe: «Mihainoa ahy, ry Jodà, sy ianareo mponina ao Jerosalema! Matokia an’i Iaveh Andriamanitrareo, dia tsy ho voahozongozona ianareo, ary matokia ny mpaminaniny, dia hoambinina ianareo.»
Sambatra izay manana ny Andriamanitr’i Jakôba ho famonjena azy sy mametraka ny fitokiany amin’i Iaveh Andriamaniny.
Tsara fo i Iaveh; Fiarovana amin’ny androm-pahoriana Izy. ary mahalala izay matoky Azy