2Tantara 13:18 - DIEM PROTESTANTA18 Tamin’izany fotoana izany no nampietrena ny Israelita; nandresy kosa ny Jodeanina satria niankina tamin’ny TOMPO Andriamanitry ny razany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201118 Toy izany no nampietrena ny Zanak’Israely fehizay; ary ny taranak’i Joda no nahery, satria niankina tamin’NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, izy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara18 Tamin’izany fotoana izany no nampietrena ny Israelita; nandresy kosa ny Jodeanina satria niankina tamin’ny TOMPO Andriamanitry ny razany. Jereo ny tokoBaiboly Katolika18 Naetry ny zanak’i Israely tamin’izany andro izany, fa nihamahery kosa ny taranak’i Jodà, satria niankina tamin’i Iaveh Andriamanitry ny razany izy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy18 Toy izany no nampietrena ny Zanak’Isiraely fahizay; ary ny taranak’i Joda no nahery, satria niankina tamin’i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy. Jereo ny tokoMalagasy Bible18 Toy izany no nampietrena ny Zanak'isiraely fahizay; ary ny taranak'i Joda no nahery, satria niankina tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy. Jereo ny toko |
Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO Andriamaniny i Asà ka nanao hoe: –TOMPO ô, tsy misy afa-tsy Ianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian’ny matanjaka izy; ka vonjeo izahay, ry TOMPO Andriamanitray ô, fa Ianao no iankinanay ary ny anaranao no irosoanay hiady amin’ity tafika goavana ity. TOMPO ô, Ianao no Andriamanitray, ka aza avela hisy olombelona haharesy Anao.
Nifoha maraina koa ireto Jodeanina sy mponin’i Jerosalema ny ampitso, dia niainga nankany amin’ny taniefitr’i Tekôa. Teo am-piaingàny, dia nitsangana i Jôsafata ka nanao hoe: –Mihainoa ahy ianareo, ry Jodeanina sy ry mponin’i Jerosalema. Matokia ny TOMPO Andriamanitrareo, dia tsy ho voahozongozona ianareo; matokia ny mpaminaniny, dia handresy ianareo!
Dia loa-bolana i Nebokadnetsara ka nanao hoe: –Hisaorana anie Andriamanitr’i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao; naniraka ny anjeliny manko Izy mba hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy, ka nandika ny baiko nataoko. Fa naleon’ireo kosa nanolo-tena hampijalina toy izay hanompo sy hitsaoka andriamani-kafa ankoatra ilay Andriamaniny.