Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 13:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Nanenjika an’i Jerôbohama i Abià ka nisy azony ny tanànany, dia i Betela sy i Jesanà ary i Hefrôna mbamin’ireo tanàna madinika manodidina azy avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Nanenjika an’i Jeroboama i Abia ka nahazo ny tanànany, dia i Betela mbamin’ny vohitra miankina aminy sy i Jesana mbamin’ny vohitra miankina aminy ary i Efrona mbamin’ny vohitra miankina aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Nanenjika an’i Jerôbohama i Abià ka nisy azony ny tanànany, dia i Betela sy i Jesanà ary i Hefrôna mbamin’ireo tanàna madinika manodidina azy avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Notanahin’i Abià i Jerôbôama, ka nahazoany ireto tanàna ireto: i Betela sy ny tanàna momba azy, i Jesàna sy ny tanàna momba azy, i Efrôna sy ny tanàna momba azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary Abia nanenjika an’i Jeroboama ka nahazo ny tanànany, dia Betela mbamin’ny zana-bohiny sy Jesana mbamin’ny zana-bohiny ary Efrona mbamin’ny zana-bohiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary Abia nanenjika an'i Jeroboama ka nahazo ny tanànany, dia Betela mbamin'ny zana-bohiny sy Jesana mbamin'ny zana-bohiny ary Efrona mbamin'ny zana-bohiny.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 13:19
11 Rohy Ifampitohizana  

Dia nantsoiny hoe Betela na hoe tranon’Andriamanitra io toerana io, fa Lozy no anaran’izany tanàna izany taloha.


Tamin’izany fotoana izany no nampietrena ny Israelita; nandresy kosa ny Jodeanina satria niankina tamin’ny TOMPO Andriamanitry ny razany.


Tamin’ny andron’i Abià, dia tsy nanan-kery intsony i Jerôbohama; ary namely azy ny TOMPO, ka maty izy.


Rehefa ren’i Asà izany teny izany na hoe ny faminanian’i Hazarià mpaminany zanakalahin’i Hôdeda, dia nihasahy izy ka nanaisotra ny sampy tamin’ny faritanin’i Joda sy i Benjamîna manontolo ary tamin’ny tanàna izay azony tany amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma. Avy eo dia nohavaoziny ny alitaran’ny TOMPO, izay teo anoloan’ny fidirana amin’ny tranon’ny TOMPO.


Nametrahany miaramila tamin’ny tanànamimanda rehetra eran’i Joda ary koa toby miaramila tao amin’ny tanin’i Joda sy tamin’ireo tanàna efraimita efa azon’i Asà rainy.


Koa tsy nandehandeha an-karihary teo amin’ny Jiosy intsony i Jesoa, fa niala teo nankany amin’ny faritany akaikin’ny taniefitra, tany amin’ny tanàna atao hoe Efraîma, ary nitoetra tany niaraka tamin’ny mpianany.


Kanefa ianareo aza mijanona any, fa enjeho ny fahavalonareo ka asio avy ao ivohony; aza avela hiditra any an-tanànany, satria efa natolotry ny TOMPO Andriamanitrareo ao an-tananareo izy.


Azony ny tanàna sy ny mpanjakany mbamin’ireo tanàna manodidina an’i Debira. Naringany tamin’ny sabatra ny mponina rehetra tao ka tsy nisy niangana. Tahaka izay nataon’i Josoa tamin’i Hebrôna sy i Libnà mbamin’ny mpanjakany no nataon’i Josoa tamin’i Debira sy ny mpanjakany.


Ary nalain’i Josoa koa ny tanànan’ireo mpanjaka hafa rehetra mbamin’ny fanjakany, ka naringany tamin’ny sabatra ireo mpanjaka sy ny mponina rehetra isan-tanàna, araka izay efa nandidian’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO.


avy eo mihodina ho any amin’ny loharano Neftôa, mihazo ireo tanàna any an-tendrombohitr’i Hefrôna, vao mihodina ho any Bahala izay antsoina koa hoe Kiriata-Jeharima;


Rehefa hitan’ny Israelita izay teny an-dafy andrefan’ny lohasaha sy teny an-dafy andrefan’i Jôrdàna fa nandositra ny tafik’i Israely sady maty i Saoly sy ny zanany, dia nandao ny tanàna izy ka nandositra. Tonga kosa ny Filistinina ka nipetraka tao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra