Ary i Sarà dia maty tany Kiriatarbe, dia Hebrôna izany, any amin’ny tany Kanaana; ka tonga i Abrahama hisaona an’i Sarà sy hitomany azy.
2Tantara 11:10 - Baiboly Katolika i Saraà, i Aialôna ary i Hebrôna; tanàna mimanda ao amin’i Jodà sy i Benjamina ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 i Zora, i Aialona ary i Hebrona, izay tanàna mimanda ao amin’i Joda sy i Benjamina. DIEM PROTESTANTA mbamin’i Tsôrehà sy i Aialôna ary i Hebrôna, izay samy tanànamimanda ao anatin’ny faritr’i Joda sy i Benjamîna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara mbamin’i Tsôrehà sy i Aialôna ary i Hebrôna, izay samy tanànamimanda ao anatin’ny faritr’i Joda sy i Benjamîna. Baiboly Protestanta Malagasy sy Zora sy Aialona ary Hebrona, izay tanàna mimanda ao amin’ny Joda sy ny Benjamina. Malagasy Bible sy Zora sy Aialona ary Hebrona, izay tanàna mimanda ao amin'ny Joda sy ny Benjamina. La Bible en Malgache i Zora, i Aialona ary i Hebrona, izay tanàna mimanda ao amin’i Joda sy i Benjamina. |
Ary i Sarà dia maty tany Kiriatarbe, dia Hebrôna izany, any amin’ny tany Kanaana; ka tonga i Abrahama hisaona an’i Sarà sy hitomany azy.
Taorian’izany dia nanontany an’i Iaveh i Davida nanao hoe: «Hiakatra any amin’ny anankiray amin’ny tanànan’i Jodà va aho?» Dia hoy ny navalin’i Iaveh azy: «Miakara.» Hoy i Davida: «Aiza no hiakarako?» Ary i Iaveh namaly hoe: «Any Hebrôna.»
Ary fito taona sy enim-bolana no andro nanjakan’i Davida tao Hebrôna tamin’ny fokon’i Jodà.
Namboariny ny trano mimanda ho afa-manohana, dia nanisy mpanapaka sy trano fitahirizan-kanina aman-diloilo sy divay tao aminy izy.
Ny Filistinina niely teny amin’ny tanàna eny amin’ny Sefelà sy ny Negeban’i Jodà; azony avokoa i Betsamesa, i Aialôna, i Gaderôta, i Sôkô sy ny tanàna momba azy, i Tamnà sy ny tanàna momba azy, i Gamzô sy ny tanàna momba azy, dia nonenany.
Niakatra an’i Negeba izy ireo, ka nandroso hatrany Hebrôna, izay nisy an’i Akimàna sy i Sizaia ary i Tolmaia, taranak’i Enàka. I Hebrôna dia naorina fito taona talohan’i Tanisa any Ejipta.
Dia niteny tamin’i Iaveh i Jôsoe tamin’ny andro nanoloran’i Iaveh ny Amôreana tamin’ny zanak’i Israely, ka hoy izy teo imason’ny zanak’i Israely: «Ry masoandro, mijanòna eo ambonin’i Gabaôna ary ianao, ry volana, ambonin’ny lohasaha Ajalôna.»
Niakatra avy eo Eglôna i Jôsoe sy i Israely rehetra niaraka taminy, dia nankany Hebrôna, ka namely azy izy ireo.
Koa i Kaleba zanak’i Jefone, Kenezeanina, no tompon-dova an’i Hebrôna mandraka androany, satria nanaraka an-tsakany sy an-davany an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely izy.
Araka ny didin’i Iaveh tamin’i Jôsoe, nomena anjara teo afovoan’ny taranak’i Jodà i Kaleba zanak’i Jefone, dia ny tanànan’i Arbe, rain’i Enaka, dia i Hebrôna izany.
Ny natokany dia i Kadesy any Galilea amin’ny tendrombohitr’i Neftalì; i Sikema amin’ny tendrombohitr’i Efraima, ary i Kariat-Arbe, dia i Hebrôna izany, amin’ny tendrombohitr’i Jodà.