Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 10:6 - Baiboly Katolika

I Rôbôama kosa nila hevitra tamin’ireo zokiolona nanotrona an’i Salômôna rainy, fony fahavelony, ka nanao hoe: «Inona no hevitra omenareo havaly ity vahoaka ity?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Naka hevitra tamin’ny zokiolona izay nanompo an’i Solomona rainy fony fahavelony i Rehoboama mpanjaka ka hoy izy hoe: Ahoana no hevitra omenareo mba hamaliana ny vahoaka?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

I Rehabohama mpanjaka kosa naka hevitra tamin’ny loholona izay mpandraharahan’i Salômôna rainy fony fahavelony, ka nanontany azy hoe: –Ahoana no hevitra omenareo havaliko an’ireo vahoaka ireo?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

I Rehabohama mpanjaka kosa naka hevitra tamin’ny loholona izay mpandraharahan’i Salômôna rainy fony fahavelony, ka nanontany azy hoe: –Ahoana no hevitra omenareo havaliko an’ireo vahoaka ireo?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Rehoboama mpanjaka naka saina tamin’ny zoki-olona izay nitoetra teo anatrehan’i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly ny vahoaka?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Rehoboama mpanjaka naka saina tamin'ny zoki-olona izay nitoetra teo anatrehan'i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly ny vahoaka?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Naka hevitra tamin’ny zokiolona izay nanompo an’i Solomona rainy fony fahavelony i Rehoboama mpanjaka ka hoy izy hoe: Ahoana no hevitra omenareo mba hamaliana ny vahoaka?

Jereo ny toko



2Tantara 10:6
11 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy i Absalôma tamin’i Akitôfela: «Manaova fivoriana fakan-kevitra ianareo, ny amin’izay tokony hataontsika.»


Ary hoy ny navaliny azy ireo: «Rehefa afaka hateloana, miverena atỳ amiko indray ianareo.» Dia lasa ny vahoaka.


Hoy aho anakampo: ‹Hiteny ireo be andro, hanambara ny fahendrena ny hamaroan’ny taona›.


Ny lalan’ny adala mahitsy eo imasony; fa ny torohevitra kosa no henoin’ny hendry.


Henoy ny fanoroana, ary raiso ny fampianarana; mba ho hendry ianao amin’ny andro sisa hiainanao.


Aza mahafoy ny sakaizanao aman-tsakaizan-drainao; ary aza miditra ny tranon’ny rahalahinao amin’ny andron’ny fahorianao: fa aleo namana akaiky toy izay havan-davitra.


Fa efa naningo-tena ianareo, tamin’ny nanirahanareo ahy ho any amin’i Iaveh Andriamanitsika, nanao hoe: Mivavaha amin’i Iaveh Andriamanitsika ho anay, fa izay rehetra holazain’Iaveh Andriamanitsika, dia ambarao anay fa hotanterahinay avokoa.