Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 10:2 - Baiboly Katolika

Nony nandre izany i Jerôbôama zanak’i Nabata, izay mbola tany Ejipta, fa tany no nandosirany an’i Salômôna mpanjaka,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa raha nandre izany i Jeroboama, zanak’i Nebata, izay efa nandositra nankany Ejipta niala teo anatrehan’i Solomona mpanjaka, dia niverina avy tany Ejipta.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tamin’izay i Jerobohama, zanakalahin’i Nebata, dia tany Ejipta, noho izy nandositra lavitra an’i Salômôna mpanjaka. Koa rehefa ren’i Jerobohama fa hisy izany fivoriana izany, dia niverina avy tany Ejipta izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’izay i Jerobohama, zanakalahin’i Nebata, dia tany Ejipta, noho izy nandositra lavitra an’i Salômôna mpanjaka. Koa rehefa ren’i Jerobohama fa hisy izany fivoriana izany, dia niverina avy tany Ejipta izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa raha nandre izany Jeroboama, zanak’i Nebata, izay efa nandositra nankany Egypta niala teo anatrehan’i Solomona mpanjaka, dia niverina avy tany Egypta izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa raha nandre izany Jeroboama, zanak'i Nebata, izay efa nandositra nankany Egypta niala teo anatrehan'i Solomona mpanjaka, dia niverina avy tany Egypta izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa raha nandre izany i Jeroboama, zanak’i Nebata, izay efa nandositra nankany Ejipta niala teo anatrehan’i Solomona mpanjaka, dia niverina avy tany Ejipta.

Jereo ny toko



2Tantara 10:2
6 Rohy Ifampitohizana  

Nanainga tanana tamin’ny mpanjaka, i Jerôbôama, zanak’i Nabata, Efrateanina, avy any Sareda izy; ary vehivavy mpitondra tena atao hoe Sarvà no reniny ary mpanompon’i Salômôna izy.


Ary io Jerôbôama io dia lehilahy matanjaka sy mahery fo, ka hitan’i Salômôna ny fahavitrihan’io zatovo io amin’ny raharaha, ka nataony mpitandrina ny mpanao fanompoana rehetra tamin’ny taranak’i Josefa.


Notadiavin’i Salômôna hovonoina i Jerôbôama; fa nitsoaka nandositra nankany Ejipta amin’i Sesàka, mpanjakan’i Ejipta, i Jerôbôama ka nonina tany Ejipta mandra-pahafatin’i Salômôna.


Nony nandre izany i Jerôbôama zanak’i Nabata, izay mbola tany Ejipta, fa tany no nandosirany lavitra an’i Salômôna mpanjaka, ka nitoetra tany Ejipta i Jerôbôama,


dia niverina avy any Ejipta izy ka nampanalain’ny olona. Tamin’izay, dia nanatona i Jerôbôama sy i Israely rehetra ka niteny tamin-dRôbôama nanao hoe:


Ny sisa tamin’ny asan’i Salômôna, na ny voalohany na ny farany, moa tsy dia efa voasoratra va izany ao amin’ny bokin’i Natàna mpaminany, sy amin’ny faminanian’i Ahiasa avy any Silô, ary amin’ny fahitan’i Adô ny amin’i Jerôbôama zanak’i Nabata?