Dia tonga teo anatrehan’ny governora i Jesoa ka nanontanian’ny governora hoe: «Ianao va no mpanjakan’ny Jody?» «Voalazanao,» hoy i Jesoa taminy;
1Timoty 6:13 - Baiboly Katolika Izao no ananarako anao eo anatrehan’Andriamanitra, mpamelona ny zavatra rehetra, sy i Kristy Jesoa, izay vavolombelona nanao ilay fanekena fatratra faha-Pôntsy-Pilaty: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izaho dia mananatra anao eo anatrehan’Andriamanitra izay mamelona ny zavatra rehetra ary eo anatrehan’i Kristy Jesosy izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan’i Pontio Pilato DIEM PROTESTANTA Izao no anafatrafarako anao eo anatrehan’ilay Andriamanitra fototr’ain’ny zavatra rehetra sy eo anatrehan’i Kristy Jesoa Izay nanambara fiekem-pinoana fatratra nanoloana an’i Pônty Pilato: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izao no anafatrafarako anao eo anatrehan’ilay Andriamanitra fototr’ain’ny zavatra rehetra sy eo anatrehan’i Kristy Jesoa Izay nanambara fiekem-pinoana fatratra nanoloana an’i Pônty Pilato: Baiboly Protestanta Malagasy Izaho mananatra anao eo anatrehan’Andriamanitra, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo anatrehan’i Kristy Jesosy, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan’i Pontio Pilato, Malagasy Bible Izaho mananatra anao eo anatrehan'Andriamanitra, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo anatrehan'i Kristy Jesosy, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan'i Pontio Pilato, La Bible en Malgache Izaho dia mananatra anao eo anatrehan’Andriamanitra izay mamelona ny zavatra rehetra ary eo anatrehan’i Kristy* Jesosy izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan’i Pontio Pilato |
Dia tonga teo anatrehan’ny governora i Jesoa ka nanontanian’ny governora hoe: «Ianao va no mpanjakan’ny Jody?» «Voalazanao,» hoy i Jesoa taminy;
Ary hoy i Jesoa taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Dia hoy i Jesoa hoe: «Tsy hanam-pahefana amiko ianao raha tsy nomena anao avy any ambony izany; koa izay nanolotra Ahy taminao no meloka kokoa noho ianao.»
Fa toy ny ananan’ny Ray ny fiainana ao anatiny, no nanomezany ny Zanaka hanana ny fiainana ao anatiny koa.
Tsy mba tompoin’ny tanan’olombelona Izy, fa tsy misy toy ny hoe zavatra ilainy, fa Izy aza no manome an’izao rehetra izao ny aina sy ny fofon’aina, ary ny zavatra rehetra.
Eny, ho hitan’ny maro amin’izao fahafoizana ataonareo izao fa olona voazaha toetra tokoa ianareo, ka hankalaza an’Andriamanitra izy noho ny fanoavanareo manaraka ny Evanjelin’i Kristy, sy noho ny hatsoram-ponareo mampiombona azy sy ny olona rehetra aza amin’ny soanareo.
Jereo amin’izao fa Izaho, dia Izaho ihany no izy, ary tsy misy andriamanitra miolotra amiko; Izaho no mahafaty sy mahavelona; Izaho no naharàtra, ary Izaho koa no hahasitrana. Ary tsy misy olona mahafaka amin’ny tanako.
Misaotra an’i Kristy Jesoa Tompontsika Izay nankahery ahy aho, fa nekeny ho mahatoky, ka nametrahany fandraharahana,
Eny, teny marina tokoa, sy mendrika hitokiana indrindra izao: Tonga tetỳ an-tany i Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota, ary izaho no lohany indrindra aminy;
Fa iray monja Andriamanitra, ary iray ihany no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olombelona, dia i Kristy Jesoa tonga olombelona,
Mihanta aminao eo anatrehan’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy ary ny Anjely voafidy aho, mba tsy hanananao olon-tiana, na hasianao fiangarana kely akory, ny fitandremana izany zavatra izany.
Miadia ny ady tsaran’ny finoana, ary mahazoa ny fiainana mandrakizay, izay niantsoana anao, sy nanaovanao fanekem-pinoana fatratra teo imason’ny vavolombelona maro.
ary avy amin’i Jesoa Kristy, ilay Vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, ary Filohan’ny mpanjakan’ny tany. Ho an’Ilay tia antsika anie, ka nanasa ny otantsika tamin’ny Rany,
Nanaraka izany, dia hoy Izy tamiko: «Vita izany. Izaho no Alfà sy Omegà, fiandohana sy fiafarana. Hampisotroiko maimaim-poana amin’ny loharanon’aina izay mangetaheta.
Dia nasehony ahy ity onin-dranovelona, mangarangarana toy ny kristaly, nivoaka avy ao amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry, namaky ny kianjan’ny tanàna.
Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Laodisea: Izao no lazain’ny Amen, ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, fototry ny zava-boaarin’Andriamanitra.
I Iaveh no mahafaty sy mahavelona; mampidina any amin’ny fonenan’ny maty sy mampiakatra avy any koa.