Amin’izay ianareo va hilaza hoe: ‹Nahoana isika no nanenjika azy?› fa ho hita ny mahamarina ny adiko.
1Jaona 3:9 - Baiboly Katolika Izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota, satria mitoetra ao aminy ny voa nafafin’Andriamanitra, sady nateraka avy amin’Andriamanitra izy ka tsy mahazo manota. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izay rehetra naterak’Andriamanitra no tsy manota satria ny voany dia mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy satria naterak’Andriamanitra. DIEM PROTESTANTA Izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota, satria ilay voa nafafin’Andriamanitra no mitoetra ao anatiny; ary tsy mahay manota izy satria naterak’Andriamanitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota, satria ilay voa nafafin’Andriamanitra no mitoetra ao anatiny; ary tsy mahay manota izy satria naterak’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy Izay rehetra naterak’Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naretak’Andriamanitra. Malagasy Bible Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naretak'Andriamanitra. La Bible en Malgache Izay rehetra naterak’Andriamanitra no tsy manota satria ny voany dia mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy satria naterak’Andriamanitra. |
Amin’izay ianareo va hilaza hoe: ‹Nahoana isika no nanenjika azy?› fa ho hita ny mahamarina ny adiko.
Raha voa hafafy no hilatsahan-javatra avy amin’ny fatin’ireny, dia hitoetra ho madio ihany;
ka tsy mba nateraka avy amin’ny ra, na ny sitrapon’ny nofo, na ny sitrapon’ny olona ireo, fa nateraka avy amin’Andriamanitra.
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra.»
Sanatria izany! Hataontsika efa maty ny amin’ny fahotana ahoana no mbola ho velona aminy ihany?
Fa ny nofo manam-pilana mifanohitra amin’ny an’ny fanahy, ary ny fanahy manana ny azy mifanohitra amin’ny an’ny nofo: koa mifanohitra izy roroa, hany ka tsy mahefa izay tianareo ianareo.
noho ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga, talohan’ny taona rehetra,
fa efa nateraka indray ianareo, tsy tamin’ny voa mety lo, fa amin’ny voa tsy mety lo, dia ny tenin’Andriamanitra izay velona sy maharitra mandrakizay.
Raha fantatrareo fa marina Izy, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina dia zanany nateraka avy aminy.
Izay rehetra mitoetra ao aminy, dia tsy mba manota; ary izay manota dia tsy mba nahita Azy na nahalala Azy.
Ry malala, aoka hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra, ary izay rehetra tia dia avy amin’Andriamanitra, sy mahalala an’Andriamanitra.
Izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy, dia nateraka avy amin’Andriamanitra; ary izay rehetra tia Ilay niteraka Azy, dia tia Azy naterany koa.
Fantatsika fa izay rehetra nateraka avy amin’Andriamanitra dia tsy manota; fa miaro tena izay nateraka avy amin’Andriamanitra, ka tsy mikasika azy ilay Ratsy.
satria izay naterak’Andriamanitra dia mandresy an’izao tontolo izao, ary ny fandresena izay naharesy an’izao tontolo izao dia ny finoantsika.
Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin’Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy, tsy mba nahita an’Andriamanitra.