Orohy ny Zanaka fandrao tezitra izy; ka ho very any amin’ny lalanareo ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny hatezerany. Sambatra izay rehetra matoky Azy.
1Jaona 3:23 - Baiboly Katolika Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika an’i Jesoa Kristy Zanany, sy ny hifankatiavantsika, araka ny didy nomeny antsika. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary izao no didiny dia ny hinoantsika ny anaran’i Jesosy Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomeny antsika. DIEM PROTESTANTA Ary ny didin’Andriamanitra dia ny hinoantsika ny anaran’i Jesoa Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomen’i Kristy antsika. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ny didin’Andriamanitra dia ny hinoantsika ny anaran’i Jesoa Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomen’i Kristy antsika. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika ny anaran’i Jesosy Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomeny antsika. Malagasy Bible Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika ny anaran'i Jesosy Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomeny antsika. La Bible en Malgache Ary izao no didiny dia ny hinoantsika ny anaran’i Jesosy Kristy* Zanany sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomeny antsika. |
Orohy ny Zanaka fandrao tezitra izy; ka ho very any amin’ny lalanareo ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny hatezerany. Sambatra izay rehetra matoky Azy.
ary ny faharoa izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.
Niaraka tamin’izay dia nijerijery manodidina izy ireo, nefa tsy nahita olona intsony, fa i Jesoa irery sisa teo aminy.
Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny Anarany
Didy vaovao no omeko anareo, dia izao: Mifankatiava ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo.
Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra marina sy i Jesoa Kristy izay nirahinao.
Raha mbola tany Jerosalema Izy tamin’ny fetin’ny Paka, dia maro no nino ny Anarany, fa nahita ny fahagagana nataony;
Izay mino Azy dia tsy tsaraina: fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo, satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana.
Namaly i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe: «Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Ilay nirahiny.»
Ary hoy ny navalin’izy roa lahy: «Minoa an’i Jesoa Tompo, dia ho voavonjy ianao sy ny ankohonanao.»
Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.
Ny amin’ny fifankatiavan’ny mpiray tam-po amin’ny finoana, dia tsy ilaina ny hanoratana izany aminareo, satria tenanareo no nampianarin’Andriamanitra hifankatia,
Eny, teny marina tokoa, sy mendrika hitokiana indrindra izao: Tonga tetỳ an-tany i Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota, ary izaho no lohany indrindra aminy;
Noho ianareo efa nandio ny fonareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana, sy efa nilatsa-tenany tamin’izany, hanaraka ny fitiavana marina ny havana iray finoana, dia mifankatiava fatratra amin’ny fo tokoa;
Fa indrindra indrindra, mifankatiava fatratra, fa ny fitiavana manarona fahotana maro.
Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy efa ela, izay efa azonareo hatramin’ny voalohany; ary izany didy ela izany dia ilay teny efa renareo teo.
Satria araka ny teny azo sy renareo hatramin’ny voalohany dia tsy maintsy mifankatia isika,
Na iza na iza hanaiky an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy ao amin’Andriamanitra.
Sady izao no didiny efa azontsika: izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny namany koa.
Izaho no nanoratra izany aminareo, dia ny mba hahafantaranareo fa manana ny fiainana mandrakizay ianareo izay mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra.