1Jaona 3:19 - Baiboly Katolika Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika, sy hahazoantsika mampatoky ny fontsika eo anatrehan’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika sy hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany, DIEM PROTESTANTA Izany no hahafantarantsika fa mpiandany amin’ny marina isika. Izany no hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehan’Andriamanitra, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izany no hahafantarantsika fa mpiandany amin’ny marina isika. Izany no hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehan’Andriamanitra, Baiboly Protestanta Malagasy Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika sy hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany, Malagasy Bible Izany no hahafantarantsika fa avy amin'ny marina isika sy hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany, La Bible en Malgache Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika sy hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany, |
Ary ny ho vokatry ny fahamarinana dia ny fitsaharana sy ny fandriam-pahalemana mandrakizay.
Dia hoy i Pilaty taminy: «Koa mpanjaka izany Ianao?» Ary novalian’i Jesoa hoe: «Efa voalazanao, Mpanjaka Aho. Teraka Aho, sy tonga tatỳ an-tany mba hanambara ny marina, ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko.»
tamin’ny fitokiana mafy Azy ho mahay manatanteraka ny zavatra rehetra nampanantenainy;
Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana,
ary izany ihany koa no iaretako izao fijaliana ankehitriny izao; tsy menatra amin’izany anefa aho, fa fantatro Izay ninoako, ary matoky aho fa Izy no hahatahiry izay napetraka tamiko mandra-piavin’izay andro izay.
dia aoka isika hanatona amin’ny fo mahitsy sy amim-pinoana feno, ary amin’ny fo voafafy ho afaka amin’ny fieritreretana mipentina ota, sy amin’ny vatana voasasa tamin’ny rano madio.
Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ny finoana, nefa tsy mbola nahazo ny nampanantenaina, fa nahatazana azy lavitra fotsiny, dia niarahaba azy tamin-karavoana sy fiekena hoe: vahiny sy mpivahiny izy no etỳ an-tany.
Raha milaza antsika ho tsy manam-pahotana isika, dia mamita-tena, ary tsy ao anatintsika ny marina.
Tsy noho ianareo tsy mahalala ny marina no nanoratako ho anareo, fa noho ianareo mahalala izany indrindra, ary mahafantatra fa ny lainga rehetra dia tsy avy amin’ny marina.
Isika dia mahalala fa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana, satria tia namana. Izay tsy tia kosa mitoetra ao amin’ny fahafatesana.
Fa raha manameloka antsika ny fontsika dia lehibe noho ny fontsika Andriamanitra, sady mahalala ny zavatra rehetra.
Ry malala, raha tsy manameloka antsika ny fontsika, dia mahazo manatona an’Andriamanitra amin-toky isika.