Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hebreo 11:13 - Baiboly Katolika

13 Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ny finoana, nefa tsy mbola nahazo ny nampanantenaina, fa nahatazana azy lavitra fotsiny, dia niarahaba azy tamin-karavoana sy fiekena hoe: vahiny sy mpivahiny izy no etỳ an-tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ny finoana, kanefa mbola tsy nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin’ny tany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Tamim-pinoana no nahafatesan’ireo olona rehetra ireo. Tsy azony akory izay nampanantenain’Andriamanitra azy, kanefa notazanin’ireo sy noarahabainy avy lavitra; ary dia niaiky izy rehetra fa vahiny sy mpivahiny teto an-tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Tamim-pinoana no nahafatesan’ireo olona rehetra ireo. Tsy azony akory izay nampanantenain’Andriamanitra azy, kanefa notazanin’ireo sy noarahabainy avy lavitra; ary dia niaiky izy rehetra fa vahiny sy mpivahiny teto an-tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin’ny tany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ireo rehetra ireo dia maty tamin'ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin'ny tany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ny finoana, kanefa mbola tsy nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin’ny tany izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Hebreo 11:13
36 Rohy Ifampitohizana  

Naharitra ela no nitoerany tany amin’ny Filistinina.


«Olona hafa firenena sy vahiny eto aminareo aho, ka mba avelao aho hanana tany fandevenana eto aminareo, mba hisy hanalako ny fatin’ny vadiko tsy ho eto anoloako, sy handevenako azy.»


ka efa tratra antitra tsara, ary efa ela sy lava andro niainana i Abrahama vao niala aina, ka maty, dia nakambana tamin’ny razany.


Ka hoy i Jakôba tamin’i Faraôna: «Telopolo amby zato taona no andron’ny fivahiniako. Sady fohy no ratsy ny andro niainako, fa tsy nahatratra ny andro niainan’ny razako tamin’ny fivahiniany.»


Ary hoy i Israely tamin’i Josefa: «Indro aho efa ho faty. Kanefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo ho any amin’ny tanindrazanareo indray.


Tsy hiala amin’i Jodà ny tehim-panjakana, tsy hiala eo anelanelan’ny tongony ny tehina fanapahana, mandra-piavin’i Silô: Izy no hotoavin’ny firenena.


Ny famonjena no antenaiko, ry Iaveh!


Ireo rehetra ireo no niavian’ny foko roa ambin’ny folon’i Israely; toy izany no nolazain-drainy taminy sy nitsofany rano azy. Notsofiny rano samy araka ny tso-dranony manokana avy izy.


Nony avy nametraka ny didiny tamin’ireo zanany lahy i Jakôba, navonkiny teo am-parafara ny tongony dia niala aina izy, ka voaangona any amin’ny razany.


Ary hoy i Josefa tamin’ireo rahalahiny: «Izaho ity ho faty; nefa Andriamanitra kosa dia hamangy anareo tokoa sy hampiakatra anareo avy amin’ity tany ity ho any amin’ny tany nianianany homena an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba.»


Fantatro fa velona ny mpamaly ra ho ahy, ka hitsangana farany eo ambonin’ny vovoka izy,


Vahiny aho eto an-tany: aza afenina ahy ny didinao.


Raha faizinao ny olona, ka manasazy azy amin’ny fahadisoany Ianao, dia mandrava izay maminy indrindra, toy ny kalalao Ianao. Eny, tso-drivotra foana ny olombelona. - Selà


Tera-dahy i Sefôrà ka nataon’i Môizy hoe Gersama ny anarany, fa hoy izy: «Vahiny atỳ an-tany hafa aho.»


Tsy azo amidy varo-maty ny tany, fa Ahy ny tany; ary ianareo hipetraka atỳ amiko toy ny vahiny sy olona mpiavy fotsiny.


Fa izao no navalin’i Hobaba azy: «Tsy handeha aho, fa hody any amin’ny taniko sy ny havako.»


Hitako izy, fa tsy toy ny ankehitriny, Tazako izy fa tsy mba akaiky. Misy kintana iray miposaka avy amin’i Jakôba, Tehim-panjakana iray mitsangana avy amin’i Israely. Mandrava an’i Moaba eo an-daniny roa izy, Ary mandringana ny zanaky ny fitabatabana rehetra.


Lazaiko aminareo marina tokoa, fa maro ny mpaminany sy ny olo-marina naniry hahita ny hitanareo fa tsy nahita, ary handre ny renareo fa tsy nandre.


I Izaia no nilaza izany dia nahita ny voninahitry ny Tompo izy, ka nanambara Azy.


Nientan-kafaliana i Abrahama rainareo nanantena hahita ny androko; ary nahita izy ka faly.»


tamin’ny fitokiana mafy Azy ho mahay manatanteraka ny zavatra rehetra nampanantenainy;


Fa vao amin’ny fanantenana fotsiny no nahavoavonjy antsika. Ary ny mahita izay antenaina, dia tsy mba manantena intsony, fa efa hitany ka ahoana indray no hanantenany?


fa tsy mibanjina ny hita izahay, fa ny tsy hita; satria ny hita, mandalo, fa ny tsy hita no maharitra mandrakizay.


Koa noho izahay manana mandrakariva izany toky izany, sady mahalala fa lavitra ny Tompo izahay raha mbola mitoetra amin’ny vatana


Koa tsy olon-ko azy na vahiny intsony àry ianareo, fa mpiray fanjakana amin’ny olo-masina sy isam-pianakavian’Andriamanitra;


Manambara mazava izay milaza izany fa mitady tanindrazana honenany izy.


Ny finoana no nanoloran’i Abrahama an’i Isaaka ho sorona, raha nozahan-toetra izy. Dia izy izay nandray ny teny fampanantenana,


Ny finoana no nialany tany Ejipta, tsy aman-tahotra ny fahatezeran’ny mpanjaka akory, fa nijoro toy ny mahita ilay tsy fahita izy.


Na dia nankalazaina noho ny finoana aza anefa izy rehetra ireo, dia tsy nisy nahazo ny nampanantenaina,


I Piera, Apôstôlin’i Jesoa Kristy, mamangy ny mpivahiny izay miely any Pônto, Galata, Kapadosy, Azia ary Bitinia, dia ny olom-boafidy,


Ary raha Ilay tsy mizaha tavan’olona, fa mitsara ny olona rehetra araka ny asany avy, no antsoina hoe Ray, dia aoka hitondra tena amim-pahatahorana ianareo, mandritra ny andron’ny fivahiniana etỳ,


Ry malala, mamporisika anareo hifady ny fanirian’ny nofo izay manohitra ny fanahy aho, noho ny maha-vahiny sy mpivahiny anareo.


Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika, sy hahazoantsika mampatoky ny fontsika eo anatrehan’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra