Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Jaona 1:1 - Baiboly Katolika

Izay efa nisy hatramin’ny voalohany, sy efa renay, efa hitan’ny masonay, efa nodinihinay, ary efa notsapain’ny tananay, dia ny Teny fiainana; -

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izay efa hatramin’ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan’ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain’ny tananay, dia ny amin’ny Tenin’ny Fiainana,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny amin’ilay Teny manome fiainana no anoratanay aminareo. Izy, Izay nisy hatramin’ny voalohany, ka efa renay, efa hitan’ny masonay, efa nobanjininay ary efa notsapain’ny tananay no ambaranay aminareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny amin’ilay Teny manome fiainana no anoratanay aminareo. Izy, Izay nisy hatramin’ny voalohany, ka efa renay, efa hitan’ny masonay, efa nobanjininay ary efa notsapain’ny tananay no ambaranay aminareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

IZAY hatramin’ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan’ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain’ny tànanay, dia ny amin’ny Teny Fiainana (

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izay hatramin'ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan'ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain'ny tananay, dia ny amin'ny Teny Fiainana

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izay efa hatramin’ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan’ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain’ny tananay, dia ny amin’ny Tenin’ny Fiainana,

Jereo ny toko



1Jaona 1:1
23 Rohy Ifampitohizana  

Iza no nanao izany? Iza no nahefa izany? Ilay niantso ny taranaka hatramin’ny voalohany, Izaho Iaveh, Izay voalohany, sady ho eo amin’ny farany koa!»


Koa noho izany, dia hanolotra an’ireny izy mandra-piavin’ny fotoana hiterahan’ilay tsy maintsy hiteraka; ary ny sisa amin’ireo rahalahiny dia hiverina amin’ny zanak’i Israely.


sy noraisintsika tamin’ny vavolombelona sady nahita maso no mpitory teny hatramin’ny voalohany,


Zahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho mihitsy ity: tsapao ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba mana-nofo aman-taolana tahaka izao ahitanareo Ahy izao.»


Ary ilay nahita no milaza, ka marina ny filazany, sady fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa.


Ary hoy izy tamin’i Tomà: «Ataovy eto ny rantsan-tananao, ka zahao ny tanako, ary arosoy ny tananao, ka atehefo eto amin’ny tratrako; dia minoa, fa aza malain-kino.»


Fa toy ny ananan’ny Ray ny fiainana ao anatiny, no nanomezany ny Zanaka hanana ny fiainana ao anatiny koa.


«Lazaiko marina dia marina aminareo, hoy i Jesoa taminy: Fony mbola tsy àry i Abrahama, dia efa Izaho Aho.»


Taorian’ny nijaliany, dia maro ny porofo nentiny nanamarina tamin’izy ireo fa velona tokoa Izy, sady niseho taminy nandritra ny efapolo andro Izy, ary nilazalaza ny momba ny fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireo.


fa raha izahay, dia tsy azonay atao akory ny tsy hilaza izay efa hitanay sy renay.»


hataontsika ahoana no fandositra raha tsy asiantsika raharaha ny famonjena lehibe toy izany, izay nambaran’ny Tenan’ny Tompo aloha, ka izay nandre taminy no nanorina azy mafy tamintsika,


Ary efa nahita izahay, ka manambara fa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an’izao tontolo izao ny Ray.


Fa misy telo no manambara [any an-danitra, dia ny Ray sy ny Teny sy ny Fanahy Masina; ary izy telo ireo dia mifanaraka.


nanao hoe: «Soraty amin’ny boky izay hitanao, ka ampitondray any amin’ny Eglizy fito any Azia, dia any Efezy, Smirna, Pergama, Tiatira, Sarda, Filadelfia, ary Laodisea.»


Izaho no Alfà sy Omegà, fiandohana sy fiafarana, hoy ny Tompo Andriamanitra, dia Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, mahefa ny zavatra rehetra.


akanjo nipentina ra no niakanjoany, ary ny TENIN’ANDRIAMANITRA no anarany;


Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Smirna: Izao no lazain’ilay Voalohany sy Farany, Izay efa maty ka velona indray: