1Tantara 8:28 - Baiboly Katolika Loham-pianakaviana ireo, samy loholona araka ny fiaviam-pianakaviany, ary nonina tao Jerosalema. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireo no loham-pianakaviany, samy loholona araka ny firazanany. Ireo no nonina tany Jerosalema. DIEM PROTESTANTA Ireo rehetra ireo dia samy loham-pianakaviana ho an’ny taranany avy ary nonina tao Jerosalema. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireo rehetra ireo dia samy loham-pianakaviana ho an’ny taranany avy ary nonina tao Jerosalema. Baiboly Protestanta Malagasy Ireo no lohan’ny fianakaviany araka ny firazanany, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema. Malagasy Bible Ireo no lohan'ny fianakaviany araka ny firazanany, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema. La Bible en Malgache Ireo no loham-pianakaviany, samy loholona araka ny firazanany. Ireo no nonina tany Jerosalema. |
I Makelôta niteraka an’i Samaà. Nonina tao akaikin’ny rahalahiny koa ireo tao Jerosalema, niaraka tamin’ny rahalahiny.
Nisy nonina tao Jerosalema ny taranak’i Jodà, ny taranak’i Benjamina, ny taranak’i Efraima, sy i Manase,
Ireo no lohan’ny fianakavian’ny Levita, filohany araka ny taranany, ary nonina tao Jerosalema.
Ny tamin’ny taranak’i Benjamina: i Salò, zanak’i Mosolama zanak’i Odoià zanak’i Asàna;
Niorim-ponenana tao Jerosalema ny lehiben’ny vahoaka, ary nanaovana filokana ny vahoaka sisa mba ho tonga honina ao Jerosalema tanàna masina ny iray isam-polo, fa ny sivy toko sisa no ho amin’ny tanàna hafa.
Tsy naharoaka ny Jeboseanina izay monina ao Jerosalema ny taranak’i Jodà, ka niara-nitoetra tamin’ny taranak’i Jodà ao Jerosalema ny Jeboseanina mandraka androany.
i Selà, i Elefa, i Jebosy, dia i Jerosalema izany, i Gabaata ary i Kariata: tanàna 14, sy ny zana-bohiny.
Tsy nandroaka ny Jeboseanina nonina tao Jerosalema ny taranak’i Benjamina, ka niara-nonina tamin’ny zanak’i Benjamina tao Jerosalema mandraka androany ny Jeboseanina.