1Tantara 8:13 - Baiboly Katolika I Barià sy i Samà, lohan’ny fianakaviana nonina tao Aialôna no nampandositra ny mponina tao Geta. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Beria sy i Sema, izay loham-pianakavian’ny mponina tao Aialona dia nandroaka ny mponina tao Gata. DIEM PROTESTANTA I Berihà sy i Elpahaly ary i Sema, izay samy loham-pianakavian’ny mponina tao Aialôna, dia nandroaka ny mponina tao Gata. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Berihà sy i Elpahaly ary i Sema, izay samy loham-pianakavian’ny mponina tao Aialôna, dia nandroaka ny mponina tao Gata. Baiboly Protestanta Malagasy Beria koa sy Sema, izay lohan’ny fianakavian’ny mponina ao Aialona sady nandroaka ny mponina tao Gata; Malagasy Bible Beria koa sy Sema, izay lohan'ny fianakavian'ny mponina ao Aialona sady nandroaka ny mponina tao Gata; La Bible en Malgache I Beria sy i Sema, izay loham-pianakavian’ny mponina tao Aialona dia nandroaka ny mponina tao Gata. |
I Fanoela no rain’i Gedôra, ary i Ezera no rain’i Hosa. Ireo no zanaka lahin’i Hora, lahy matoan’i Efrata, rain’i Betlehema.
Zanakalahin’i Elfaala: i Hebera, i Misaama ary i Samada, izay nanorina an’i Onô sy i Loda mbamin’ny tanàna momba azy.
Dia niteny tamin’i Iaveh i Jôsoe tamin’ny andro nanoloran’i Iaveh ny Amôreana tamin’ny zanak’i Israely, ka hoy izy teo imason’ny zanak’i Israely: «Ry masoandro, mijanòna eo ambonin’i Gabaôna ary ianao, ry volana, ambonin’ny lohasaha Ajalôna.»
ka tsy nisy Enakima intsony, teo amin’ny tanin’ny zanak’i Israely; fa tany Gazà sy Geta ary Azota no sisa nisy.