Ny taranak’i Merarỳ araka ny fianakaviany dia nahazo tamin’ny loka tanàna 12 avy amin’ny fokon’i Robena sy ny fokon’i Gada ary ny fokon’i Zabolôna.
1Tantara 6:49 - Baiboly Katolika Nanome ny tanàna, mbamin’ny tany fiandrasam-biby momba azy, ho an’ny Levita ny zanak’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nomen’ny Zanak’Israely ho an’ny levita ireo tanàna ireo sy ny tany manodidina azy. DIEM PROTESTANTA Nomen’ny Israelita ho an’ny Levita ireo tanàna ireo sy ny kijàna samy manodidina azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nomen’ny Israelita ho an’ny Levita ireo tanàna ireo sy ny kijàna samy manodidina azy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nomen’ny Zanak’i Isiraely ho an’ny Levita ireo tanàna ireo sy ny tany manodidina azy. Malagasy Bible Dia nomen'ny Zanak'i Isiraely ho an'ny Levita ireo tanàna ireo sy ny tany manodidina azy. La Bible en Malgache Dia nomen’ny Zanak’Israely ho an’ny levita ireo tanàna ireo sy ny tany manodidina azy. |
Ny taranak’i Merarỳ araka ny fianakaviany dia nahazo tamin’ny loka tanàna 12 avy amin’ny fokon’i Robena sy ny fokon’i Gada ary ny fokon’i Zabolôna.
dia hamindra fo aminy Andriamanitra, ka hanao amin’ny Anjely hoe: ‹Afaho tsy hidina any an-davaka izy, fa efa nahita ny avotry ny ainy Aho.›
Toy izany koa no hihinanany izay nanaovana ny fanoneram-pahotana tamin’ny nanokanana azy sy nanamasinana azy; tsy hisy olon-kafa hihinana amin’izany, satria zava-masina izany.
Izy no hamono ny vantotr’ombalahy eo anatrehan’i Iaveh; ary ireo mpisorona zanak’i Aarôna kosa, hanolotra ny ra sy handraraka azy manodidina eo ambonin’ny ôtely izay ao amin’ny fidirana amin’ny trano lay fihaonana.
Toy ny anaovana ny ombalahy natao sorona noho ny ota no hanaovany izany ombalahy izany; toy izany no hanaovany azy; dia izany no hahavitan’ny mpisorona fanonerana ho azy ireo; ka ho voavela ny helony.
Dia hanao ny fanonerana ho an’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra ny mpisorona, ka havela ny helony, satria ota vita tsy nahy izany sady efa nanolotra ny fanatiny izy, dia ny sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh sy ny sorona noho ny ota, eo anatrehan’i Iaveh, noho ny ota nataony tsy nahy.
Hoy i Môizy tamin’i Kôre: «Rahampitso ianao sy ny tarikao rehetra mitoera eo anatrehan’i Iaveh, dia izy ireo sy ianao mbamin’i Aarôna.
Teo no nahafatesan’i Môizy, mpanompon’i Iaveh, dia teo amin’ny tanin’i Moaba, araka ny didin’i Iaveh.
Rehefa maty i Môizy, mpanompon’i Iaveh, dia niteny tamin’i Jôsoe zanak’i Nona, mpanompon’i Môizy, i Iaveh nanao hoe: