Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Eksodosy 29:33 - Baiboly Katolika

33 Toy izany koa no hihinanany izay nanaovana ny fanoneram-pahotana tamin’ny nanokanana azy sy nanamasinana azy; tsy hisy olon-kafa hihinana amin’izany, satria zava-masina izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

33 Izy ireo no hihinana ireo zavatra ireo, izay nanaovana fanavotana ho azy, mba hanokanana sy hanamasinana azy; fa tsy mba hihinana ny vahiny satria masina ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

33 Izy ireo ihany no mahazo mihinana izay nampiasaina tamin’ny fanokanana sy ny fametrahana azy eo amin’ny raharahany mba hahazoany famelan-keloka amin’ny Tompo. Tsy misy olon-kafa mahazo mihinana ireo, fa sakafo masina ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

33 Izy ireo ihany no mahazo mihinana izay nampiasaina tamin’ny fanokanana sy ny fametrahana azy eo amin’ny raharahany mba hahazoany famelan-keloka amin’ny Tompo. Tsy misy olon-kafa mahazo mihinana ireo, fa sakafo masina ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

33 Ary izy no hihinana izany zavatra izany, izay nanaovana fanavotana ho azy, mba hanokanana sy hanamasinana azy; fa ny vahiny tsy mba hihinana, satria masina izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

33 Ary izy na hihinana izany zavatra izany, izay nanaovana fanavotana ho azy, mba hanokanana sy hanamasinana azy; fa ny vahiny tsy mba hihinana, satria masina izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 29:33
16 Rohy Ifampitohizana  

Noho Ianao dia hanàko eo amin’ny fiangonan-dehibe ny hirako; hefaiko eo anatrehan’izay matahotra Anao ny voadiko.


Dia hohanin’i Aarôna sy ny zanany eo anoloan’ny trano lay fihaonana ny henan’ny ondralahy, sy ny mofo ao anatin’ny sobika.


Hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny sorona dorana izy, dia horaisina izany mba ho soa ho azy, mba hanaovana fanonerana ho azy.


Dia hoy i Môizy tamin’i Aarôna sy tamin’ireo zanak’i Aarôna, roa lahy sisa, i Eleazara sy i Itamara: «Alao ny fanatitra sisa avy amin’ny sorona natao tamin’ny afo ho an’i Iaveh, ka hano tsy misy lalivay, eo akaikin’ny ôtely, fa zava-masina dia masina izany.


Rehefa hifindra ny Fonenana dia ny Levita no hangorona azy; rehefa hiorin-dasy indray ny Fonenana, izy koa no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky eo, dia hohelohin-ko faty.


ka niteny tamin’i Kôre sy ny tariny rehetra nanao hoe: «Rahampitso dia hasehon’i Iaveh izay Azy sy izay masina, ka hampanakekeziny Azy: dia izay nofidiny no hampanakekeziny Azy.


Ho mpanampy anao izy ireo, ary hanatanteraka ny fanompoana momba ny trano lay fihaonana amin’ny asa rehetra ao an-trano lay. Fa ny olon-kafa tsy hanakaiky anareo.


Ianao sy ny zanakao miaraka aminao hanatanteraka ny raharaham-pisoronanareo amin’ny zavatra rehetra momba ny ôtely, mbamin’izay rehetra ao anatin’ny efitra lamba. Izany no raharaha hataonareo. Raharaha azo maimaim-poana no anomezako anareo ny fisoronanareo. Izay olon-kafa manakaiky hatao maty.»


Ary i Aarôna sy ny zanany lahy dia hotendrenao hanao ny raharahany momba ny fisoronana. Fa raha olon-kafa no manatona ny fitoerana masina, dia hohelohin-ko faty.»


I Môizy sy i Aarôna mbamin’ny zanany no nitoby eo anoloan’ny Fonenana, eo atsinanana, eo anatrehan’ny trano lay fihaonana, amin’ny lafiny iposahan’ny masoandro; izy ireo no niadidy ny fiambenana ny fitoerana masina, araka izay tokony hotandreman’ny zanak’i Israely rehetra; fa raha olon-kafa no manakaiky eo, dia tsy maintsy hohelohin-ko faty.


ka nony efa nisaotra Izy, dia namaky azy sy nanao hoe: «Raiso ary hano, Vatako ity ho anareo; manaova izao ho fahatsiarovana Ahy.»


Fa isaky ny mihinana ity mofo ity sy misotro amin’ity kalisy ity ianareo, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo mandra-piaviny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra