1Tantara 6:47 - Baiboly Katolika Ny taranak’i Gersôma, araka ny fianakaviany, dia nahazo tanàna 13, avy amin’ny fokon’i Isakara sy ny fokon’i Asera, ary ny fokon’i Neftalì, sy ny fokon’i Manase tany Basàna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny an’ny taranak’i Gersoma araka ny fianakaviany dia tanàna telo amby folo tamin’ny fokon’Isakara, ny fokon’i Asera, ny fokon’i Naftaly ary ny fokon’i Manase any Basana. DIEM PROTESTANTA Ny an’i taranak’i Gersôna, araka ny fianakaviany avy, dia tanàna 13 no azony tamin’ny antsapaka: ireo tanàna ireo dia avy tamin’ny fokon’i Jisakara sy ny fokon’i Asera ary ny fokon’i Naftalỳ mbamin’ny antsasa-pokon’i Manase any Basàna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny an’i taranak’i Gersôna, araka ny fianakaviany avy, dia tanàna 13 no azony tamin’ny antsapaka: ireo tanàna ireo dia avy tamin’ny fokon’i Jisakara sy ny fokon’i Asera ary ny fokon’i Naftalỳ mbamin’ny antsasa-pokon’i Manase any Basàna. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny an’ny taranak’i Gersona araka ny fokony dia tanàna telo ambin’ny folo tamin’ny firenen’Isakara sy ny firenen’i Asera sy ny firenen’i Naftaly ary ny firenen’i Manase any Basana. Malagasy Bible Ary ny an'ny taranak'i Gersona araka ny fokony dia tanàna telo ambin'ny folo tamin'ny firenen'Isakara sy ny firenen'i Asera sy ny firenen'i Naftaly ary ny firenen'i Manase any Basana. La Bible en Malgache Ny an’ny taranak’i Gersoma araka ny fianakaviany dia tanàna telo amby folo tamin’ny fokon’Isakara, ny fokon’i Asera, ny fokon’i Naftaly ary ny fokon’i Manase any Basana. |
Fa ny raharahany dia ny manolo-tena hoentin’ny taranak’i Aarôna, amin’ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh, ny amin’ny momba ny kianja aman’efitrano, ny fanadiovana ny zavatra masina, ary ny raharaha momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh;
Ny azon’ny taranak’i Kaata sisa, tamin’ny loka, dia tanàna folo, avy amin’ny foko sy ny antsasa-pokon’i Manase.
Ny taranak’i Merarỳ araka ny fianakaviany dia nahazo tamin’ny loka tanàna 12 avy amin’ny fokon’i Robena sy ny fokon’i Gada ary ny fokon’i Zabolôna.
Ny nomena ny taranak’i Gersôma avy amin’ny fianakavian’ny antsasa-pokon’i Manase: i Gôlàna any Basàna, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Astarôta mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy;
Zanakalahin’i Merarỳ: i Moholì sy i Mosỳ. Ireo no fianakavian’i Levỳ mbamin’ny taranany avy.
Dia nahorona ny Fonenana ka niainga nitondra ny Fonenana ny zanak’i Gersôna sy ny zanak’i Merarỳ.
Ny zanak’i Merarỳ, araka ny fianakaviany, dia i Moholỳ sy i Môizy. Ireo no fokon’i Levỳ araka ny fokom-pianakaviany avy.
Ny voaisa tamin’ny fianakavian’ny taranak’i Merarỳ, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy,
Sarety efatra sy omby valo kosa, no nomen’ny taranak’i Merarỳ, fehin’i Itamara, zanak’i Aarôna mpisorona, araka izay ilainy amin’ny raharahany.
Izao no nomena ny taranak’i Gersôna, anisan’ny fianakavian’ny Levita: avy amin’ny antsasaky ny fokon’i Manase, ilay tanàna fialofan’izay namono olona, dia i Gaolôna, any Basàna, sy ny manodidina azy; ary koa i Bôsrà sy ny manodidina azy: tanàna roa.
Tanàna 12 tamin’ny fokon-dRobena, sy fokon’i Gada, ary fokon’i Zabolôna, no azon’ny taranak’i Merarì, araka ny fianakaviany.