Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 5:17 - Baiboly Katolika

no efa nanoratana an’ireo zanak’i Gada rehetra tamin’ny tetiaram-pirazanana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ireo rehetra ireo dia nisaina araka ny firazanany tamin’ny andron’i Jotama, mpanjakan’ny Joda, sy tamin’ny andron’i Jeroboama, mpanjakan’ny Israely.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ireo taranak’i Gada rehetra ireo dia voasoratra tanaty boky avokoa tamin’ny andron’i Jôtama mpanjakan’i Joda sy tamin’ny andron’i Jerobohama mpanjakan’i Israely.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ireo taranak’i Gada rehetra ireo dia voasoratra tanaty boky avokoa tamin’ny andron’i Jôtama mpanjakan’i Joda sy tamin’ny andron’i Jerobohama mpanjakan’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ireo rehetra ireo dia nisaina araka ny firazanany tamin’ny andron’i Jotama, mpanjakan’ny Joda, sy tamin’ny andron’i Jeroboama, mpanjakan’ny Isiraely.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ireo rehetra ireo dia nisaina araka ny firazanany tamin'ny andron'i Jotama, mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andron'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ireo rehetra ireo dia nisaina araka ny firazanany tamin’ny andron’i Jotama, mpanjakan’ny Joda, sy tamin’ny andron’i Jeroboama, mpanjakan’ny Israely.

Jereo ny toko



1Tantara 5:17
7 Rohy Ifampitohizana  

Ary nody mandry any amin’ny razany i Jôasa ka nalevina tao Samaria ao amin’ny mpanjakan’i Israely. I Jerôbôama zanany no nanjaka nandimby azy.


Tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Amasiasa mpanjakan’i Jodà no nanjakan’i Jerôbôama zanak’i Jôasa mpanjakan’i Israely tany Samaria. Nanjaka 41 taona izy.


Ny sisa tamin’ny asan’i Jerôbôama izay rehetra nataony, ny herim-po nasehony, ny niadiany sy nampodiany an’i Damasa sy i Etama izay an’i Jodà taloha, mba ho an’i Israely, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?


Tamin’ny faha-2 taona nanjakan’i Faseà zanak’i Romeliasa mpanjakan’i Israely, no vao nanjaka kosa i Joatama zanak’i Oziasa mpanjakan’i Jodà.


Ary i Iaveh namely ny mpanjaka, ka boka hatramin’ny andro nahafatesany izy, ka nitoetra tamin’ny trano manirery. Fa i Joatama zanaky ny mpanjaka no nanapaka tao an-trano sy nitsara ny vahoaka tamin’ny tany.


Rahalahin’i Beera, samy araka ny fianakaviany avy, araka ny nanoratana azy ao amin’ny tetiarana, araka ny taranany: i Jehiela filohany, sy i Zakaria,


Ary 25 taona i Joatama, fony vao nanjaka, ary 16 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jerosà zanak’i Sadôka.