Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 4:33 - Baiboly Katolika

mbamin’ny zana-bohiny rehetra izay tao amin’ny manodidina an’ireo tanàna ireo, hatrany Baala. Ireo no fonenany, sy ny taratasy tetiaram-pirazanan’izy ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

miampy ny vohitra miankina aminy rehetra koa izay manodidina izany tanàna izany hatrany Baala. Ireo no fonenany sady nanana tetiarana manokana izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

mbamin’ny tanàna kely rehetra manodidina ireo tanàna ireo hatrany Bahalato. Ireo no toeram-ponenan’ny taranak’i Simehôna ary samy nanana ny tantaram-pirazanana manokana izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

mbamin’ny tanàna kely rehetra manodidina ireo tanàna ireo hatrany Bahalato. Ireo no toeram-ponenan’ny taranak’i Simehôna ary samy nanana ny tantaram-pirazanana manokana izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary ny zana-bohiny rehetra koa izay manodidina izany tanàna izany hatrany Bala. Ireo no fonenany sady nanana fitantaram-pirazanana manokana izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary ny zana-bohiny rehetra koa izay manodina izany tanàna izany hatrany Bala. Ireo no fonenany sady nanana fitantaram-pirazanana manokana izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

miampy ny vohitra miankina aminy rehetra koa izay manodidina izany tanàna izany hatrany Baala. Ireo no fonenany sady nanana tetiarana manokana izy.

Jereo ny toko



1Tantara 4:33
4 Rohy Ifampitohizana  

Azy ireo koa i Etama, i Aena, i Remôna, i Tôkena sy i Asàna, tanàna dimy,


I Môsôbaba, i Jemleka, i Jôsà, zanaka lahin’i Amasiasa,


Tamin’ny andron’i Ekeziasa, mpanjakan’i Jodà, no nahatongavan’ireo olona voasoratra anarana ireo. Noravany ny lain’izy ireo mbamin’ny Maônita hitany tao, ka nony efa nataony anatema mandrak’androany, dia izy ireo no nisolo toerana azy, nonina teo, satria nisy ahitra ho an’ny biby fiompiny tao.


mbamin’ny zana-bohitra rehetra manodidina ireo tanàna ireo, hatrany Baalata-Beera, dia i Ramata atsimo. Izany no lovan’ny fokon-taranak’i Simeôna, araka ny fianakaviany.