Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 29:25 - Baiboly Katolika

Ny fiandrianan’i Salômôna nasandratr’i Iaveh ho ambony indrindra teo imason’i Israely rehetra, ny fanjakany nomeny voninahitra mihoatra noho ny an’ny mpanjaka talohany teo amin’i Israely rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary NY TOMPO nanandratra an’i Solomona ho ambony indrindra teo imason’ny Israely rehetra sady nanome azy ny voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin’ny Israely.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nasandratry ny TOMPO teo imason’i Israely manontolo ny lazan’i Salômôna, ary nomeny voninahitra mihoatra noho ny an’ny mpanjaka rehetra talohany tao Israely ny fanjakany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nasandratry ny TOMPO teo imason’i Israely manontolo ny lazan’i Salômôna, ary nomeny voninahitra mihoatra noho ny an’ny mpanjaka rehetra talohany tao Israely ny fanjakany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Jehovah nanandratra an’i Solomona indrindra teo imason’ny Isiraely rehetra sady nanome azy voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin’ny Isiraely.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Jehovah nanandratra an'i Solomona indrindra teo imason'ny Isiraely rehetra sady nanome azy voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin'ny Isiraely.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary NY TOMPO nanandratra an’i Solomona ho ambony indrindra teo imason’ny Israely rehetra sady nanome azy ny voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin’ny Israely.

Jereo ny toko



1Tantara 29:25
13 Rohy Ifampitohizana  

Ho toy ny nomban’i Iaveh ny mpanjaka tompoko anie no hombàny an’i Salômôna koa ary hasandrany ho ambony noho ny seza fiandrianan’i Davida mpanjaka tompoko anie ny seza fiandrianan’i Salômôna!»


dia indro, tanterahiko ny teninao, fa omeko saina hendry sy mahiratra ianao, ka ny olona talohanao tsy nisy toa anao, ary tsy hisy toa anao ny olona hitsangana ato aoriana.


Omeko anao mbamin’izay tsy nangatahinao koa aza, dia harena amam-boninahitra, hany ka tsy hisy toa anao na iza na iza amin’ny mpanjaka mandritra ny andronao rehetra.


Nanoa an’i Salômôna mpanjaka avokoa ny mpifehy sy ny lehilahy mahery rehetra, hatramin’ireo zanak’i Davida mpanjaka rehetra.


Niorina mafy tamin’ny fanjakana i Salômôna zanak’i Davida; nomba azy i Iaveh Andriamaniny, ka nanandratra azy ho amin’ny ambaratonga ambony indrindra.


koa omeko anao ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina. Homeko anao ny vola aman-karena mbamin’ny voninahitra; ny mpanjaka talohanao tsy nisy nanana toy izany; ny any aoriana tsy hisy hanana toy izany.»


Inona moa ny olombelona, no dia tombananao fatratra erỳ, fa mba mety hikarakara azy Ianao,


Dia tafasandratra aho, ary tafahoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema, ary na ny fahendreko aza, mbola nipetraka tato amiko ihany.


Ren’ny Jody sy ny Jentily rehetra nonina tao Efezy izany, ka sady raiki-tahotra izy rehetra no nankalaza ny Anaran’i Jesoa Tompo.


fa Ilay natao ambany vetivety noho ny Anjely, dia Izy Jesoa, no hitantsika nosatrohana voninahitra sy fiandrianana noho ny fahafatesana niaretany; fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia nanandrana ny fahafatesana mba hamonjy ny olombelona rehetra Izy.


Hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Indro aho hanomboka hanandratra anao eo imason’i Israely rehetra mba ho fantany fa toy ny nombako an’i Môizy no ombako anao koa.


Nasandratr’i Iaveh teo imason’i Israely rehetra i Jôsoe, tamin’izany andro izany, ka toy ny natahoran’izy ireo an’i Môizy no natahorany azy koa, tamin’ny andro rehetra niainany.