Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




1Tantara 29:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Nasandratry ny TOMPO teo imason’i Israely manontolo ny lazan’i Salômôna, ary nomeny voninahitra mihoatra noho ny an’ny mpanjaka rehetra talohany tao Israely ny fanjakany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Ary NY TOMPO nanandratra an’i Solomona ho ambony indrindra teo imason’ny Israely rehetra sady nanome azy ny voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Nasandratry ny TOMPO teo imason’i Israely manontolo ny lazan’i Salômôna, ary nomeny voninahitra mihoatra noho ny an’ny mpanjaka rehetra talohany tao Israely ny fanjakany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Ny fiandrianan’i Salômôna nasandratr’i Iaveh ho ambony indrindra teo imason’i Israely rehetra, ny fanjakany nomeny voninahitra mihoatra noho ny an’ny mpanjaka talohany teo amin’i Israely rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Ary Jehovah nanandratra an’i Solomona indrindra teo imason’ny Isiraely rehetra sady nanome azy voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin’ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Ary Jehovah nanandratra an'i Solomona indrindra teo imason'ny Isiraely rehetra sady nanome azy voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin'ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 29:25
13 Rohy Ifampitohizana  

Toy ny efa nanombàn’ny TOMPO anao anie, ry andriamanjaka, no hanombàny koa an’i Salômôna; ary hataony be voninahitra noho ny anao anie ny sezafiandrianan’i Salômôna!


Koa indro fa araka ny teninao no ataoko: omeko saina hendry sy mahay manavaka ianao, ka tsy hisy tahaka anao na ny olona tany alohanao na ny olona any aorianao.


Ary na izay tsy nangatahinao aza dia omeko anao koa, dia ny harena amam-boninahitra, ka tsy hisy mpanjaka hitovy aminao amin’ny andronao rehetra.


Samy nanaiky an’i Salômôna mpanjaka avokoa ny mpifehy sy ny miaramila mahery fo ary na dia ny zanaka hafa rehetra naterak’i Davida aza.


Ary i Salômôna, zanakalahin’i Davida, nanamafy orina ny fahefana maha mpanjaka azy; ary niaraka tamin’i Salômôna ny TOMPO Andriamaniny ka nanandratra azy ho amin’ny ambony indrindra.


koa dia omena anao ny fahendrena sy ny fahaiza-manavaka. Ary homeko vola aman-karena koa ianao, mihoatra noho izay nananan’ireo mpanjaka hafa rehetra tany alohanao, ary tsy hisy hanana toy izany ny any aorianao.


Inona moa ny olona no dia omenao lanja lehibe ka andrianin’ny fonao aoka izany?


Tonga olona ambony aho ka nomem-boninahitra mihoatra noho ireo izay nanjaka talohako tao Jerosalema. Nefa, na dia izany aza, dia nijanona ho olon-kendry aho.


Ren’ny mponina tao Efeso izany, na Jiosy na hafa firenena, ka raiki-tahotra izy rehetra ary nankalaza ny anaran’i Jesoa Tompo.


Izao no hitantsika: natao ambany noho ny anjely nandritra ny fotoana fohifohy i Jesoa, mba ho faty ho an’ny olona rehetra noho ny fahasoavan’Andriamanitra; ary satria niaritra ny fahafatesana Izy, dia nosatrohan’Andriamanitra voninahitra sy haja.


Ary hoy ny TOMPO tamin’i Josoa hoe: –Anio no hanamafisako ny fahefànao eo imason’ny Israelita rehetra mba hahafantarany fa tahaka izay nombàko an’i Mosesy no hombako anao koa.


Tamin’izany andro izany, dia nohamafisin’ny TOMPO teo imason’ny Israelita rehetra ny fahefàn’i Josoa; koa nohajaina tahaka ny nanajana an’i Mosesy izy nandritra ny andro rehetra niainany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra