1Tantara 29:11 - Baiboly Katolika Anao, ry Iaveh, ny fahalehibeazana, ny fahefana, ny fahamendrehana, ny famirapiratana ary ny voninahitra; fa Anao izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao, ry Iaveh, ny fanjakana, Anao ny fisandratana ambony lavitra noho ny zavatra rehetra! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Anao, TOMPO ô, ny fahalehibiazana, ny hery, ny voninahitra, ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, TOMPO ô, ary Anao ny fisandratana ho ambonin’izy rehetra. DIEM PROTESTANTA Anao, TOMPO ô, ny halehibiazana sy hery; Anao ny voninahitra sy hamirapiratana ary fiandrianana; satria Anao ny zava-drehetra any an-danitra sy etỳ an-tany! Ianao, TOMPO ô, no mpanjaka; Ianao no asandratra ho filohan’ny zavatra rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Anao, TOMPO ô, ny halehibiazana sy hery; Anao ny voninahitra sy hamirapiratana ary fiandrianana; satria Anao ny zava-drehetra any an-danitra sy etỳ an-tany! Ianao, TOMPO ô, no mpanjaka; Ianao no asandratra ho filohan’ny zavatra rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin’izy rehetra. Malagasy Bible Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin'izy rehetra. La Bible en Malgache Anao, TOMPO ô, ny fahalehibiazana, ny hery, ny voninahitra, ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, TOMPO ô, ary Anao ny fisandratana ho ambonin’izy rehetra. |
Dia nitso-drano an’i Abrama izy nanao hoe: «Hanisy soa an’i Abrama anie Andriamanitra avo indrindra Izay nahary ny lanitra sy ny tany.
Fa hoy i Abrama tamin’ny mpanjakan’i Sôdôma: «Izaho efa nanangan-tanana tamin’i Iaveh Andriamanitra avo indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,
Dia nisaotra an’i Iaveh teo anatrehan’ny fiangonana rehetra i Davida, ka hoy i Davida: «Hisaorana mandrakizay mandrakizay anie Ianao, ry Iaveh, Andriamanitr’i Israely rainay.
«Ry Iaveh Andriamanitry ny razanay ô, moa tsy Andriamanitra any an-danitra va Ianao? Ary moa tsy manapaka ny fanjakana rehetra amin’ny firenena, ary moa tsy eo an-tananao va ny hery amam-pahefana, ka tsy misy hahatohitra Anao?
Ary hoy ny Levita, Jôsoe, Kedmiela, Banỳ, Hasebniasa, Sarebiasa, Odaiasa, Sebniasa, Fatatiasa: «Mitsangàna ianareo ka misaora an’i Iaveh Andriamanitrareo, mandrakizay mandrakizay! «Hisaorana anie ny Anaranao be voninahitra, izay mihoatra noho ny fisaorana amam-piderana rehetra!
Ny volamena dia avy any avaratra no iaviany, fa Andriamanitra kosa mba mampatahotra lahy ny fiandrianany!
Nampiorina ny seza fiandrianany any an-danitra i Iaveh, ary mihatra amin’ny zavatra rehetra ny fanjakany.
Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko! Iaveh Andriamanitro ô, lehibe tsy manam-petra Ianao! Mitafy fiandrianana amam-pamirapiratana Ianao!
Sitrako ny mankalaza Anao, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, sy ny misaotra ny Anaranao mandrakizay doria.
Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo.
Manjaka amin’ny firenena Andriamanitra, mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany masina Izy.
Fa mahatakatra ny lanitra ny tsy fivadihanao, ary mihatra amin’ny rahona ny fahamarinanao.
Mandry eo afovoan’ny liona aho, dia ao afovoan’ny olona miloaka afo, izay manana lefona aman-jana-tsipìka, ho solon’ny nify; ary sabatra maranitra no lelany!
Misandratra any ambonin’ny lanitra Ianao, Andriamanitra ô! Hamirapiratra ambonin’ny tany rehetra anie ny voninahitrao!
Ianao no nanorotoro an-dRahaba toy ny faty; sy nampiely ny fahavalonao, tamin’ny herin-tsandrinao.
satria Ianao, ry Iaveh, no Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra; Ianao dia tafasandratra indrindra ambonin’ny andriamanitra rehetra.
Salamo. Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh, fa nanao fahagagana Izy. Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahazoany ny fandresena.
Mpanjaka i Iaveh; mangovitra ny firenena; mipetraka eo amin’ny Kerobima Izy; mangozohozo ny tany.
«Miderà an’i Iaveh, miantsoa ny Anarany; torio amin’ny firenena ny asany lehibe, ataovy antso avo, fa tafasandratra ny Anarany,
Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy namelatra azy, izay namelatra ny tany mbamin’ny vokatra ao aminy, izay nanome fofon’aina ny olona eo aminy, sy fofon’aina ho an’izay mandeha eo.
Izao no lazain’i Iaveh: Ny lanitra no seza fiandrianako; ary ny tany no fitoeran-tongotro. Ka trano inona no hataonareo ho Ahy, ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako?
Izaho no nanao tamin’ny heriko aman-tsandriko nahinjitra ny teny sy ny olona mbamin’ny biby eto ambonin’ny tany, ary manome azy ho an’izay tiako.
ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amen.
Ho an’ny Mpanjakan’ny taona rehetra anie, dia ilay tsy mety maty, sy tsy hita maso, ary hany Andriamanitra tokana, ny haja amam-boninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.
Io Zanany io izay famirapiratan’ny voninahiny, sy mariky ny Tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny, dia mipetraka eo ankavanan’ny fiandrianany masina any amin’ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika.
Indro handroso eo alohanareo ao anatin’i Jordany ny fiaran’ny faneken’ilay Tompon’ny tany rehetra;
Ary raha vao miroboka ao anatin’ny ranon’i Jordany ny faladian-tongotry ny mpisorona mitondra ny fiaran’i Iaveh, Tompon’ny tany rehetra, dia ho tapaka ny ranon’i Jordany, ny midina avy any ambony, ka hihandrona hoatra ny antontan-javatra.»
dia ho an’Andriamanitra tokana Mpamonjy antsika, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, ny voninahitra sy ny fiamboniana, ary ny hery sy ny fanjakana, hatrizay hatrizay, sy ankehitriny ary mandrakizay doria. Amen.
Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely fahafito, ka nisy feo mahery avy any an-danitra nanao hoe: «Lasan’ny Tompontsika sy ilay Kristiny ny fanjakan’izao tontolo izao, ka hanjaka mandrakizay mandrakizay Izy.»
Raha efa izany, dia nisy hoatra ny feom-bahoaka betsaka tany an-danitra, reko nanao hoe: «Aleloia! An’Andriamanitra ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery,
Tsy mba mandainga ilay famirapiratan’i Israely ary tsy mba manenina Izy satria tsy olombelona Izy ka hoe hanenina».