Ny amin’ny lafiny andrefana, akaikin’ny vavahady Sikaleketa amin’ny lalana miakatra, azon’i Sefima sy i Hosa: nifanandrify ny antoko-mpiambina.
1Tantara 26:17 - Baiboly Katolika Nisy Levita enina any atsinanana, efatra isan’andro any avaratra, efatra isan’andro any atsimo, efatra tamin’ny trano fitahirizana, tsiroaroa; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny atsinanana dia nisy levita enina, ny avaratra dia nisy efatra isanandro, ny atsimo dia nisy efatra isanandro, ary ny trano fitahirizan-drakitra dia nisy efa-dahy nizara ho roa avy. DIEM PROTESTANTA ka tamin’ny vavahady atsinanana, nisy levita enina isan’andro; tamin’ny vavahady avaratra, nisy levita efatra isan’andro; tamin’ny vavahady atsimo, nisy levita efatra isan’andro; tamin’ny trano fitahirizana entana, nisy sokajy anankiroa samy levita roa avy; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka tamin’ny vavahady atsinanana, nisy levita enina isan’andro; tamin’ny vavahady avaratra, nisy levita efatra isan’andro; tamin’ny vavahady atsimo, nisy levita efatra isan’andro; tamin’ny trano fitahirizana entana, nisy sokajy anankiroa samy levita roa avy; Baiboly Protestanta Malagasy Ny atsinanana nisy Levita enina, ny avaratra nisy efatra isan-andro, ny atsimo nisy efatra isan-andro, ary ny trano firaketana nisy efa-dahy nizara ho roa avy. Malagasy Bible Ny atsinanana nisy Levita enina, ny avaratra nisy efatra Isan'andro, ny atsimo nisy efatra isan'andro, ary ny trano firaketana nisy efa-dahy nizara ho roa avy. La Bible en Malgache Ny atsinanana dia nisy levita* enina, ny avaratra dia nisy efatra isanandro, ny atsimo dia nisy efatra isanandro, ary ny trano fitahirizan-drakitra dia nisy efa-dahy nizara ho roa avy. |
Ny amin’ny lafiny andrefana, akaikin’ny vavahady Sikaleketa amin’ny lalana miakatra, azon’i Sefima sy i Hosa: nifanandrify ny antoko-mpiambina.
amin’ny lafin’ny trano fanampiny, any andrefana: efatra tamin’ny lalana, roa tamin’ny trano fanampiny.
Nitoetra teo amin’ny lafiny efatra ny mpiandry varavarana, dia teo atsinanana sy andrefana, ary avaratra sy atsimo.
I Kôre Levita mpiandry ny varavarana atsinanana no tonian’ny fanatitra an-tsitrapo naterin’ny olona ho an’i Iaveh, mba hizarazara izay voaavaka ho an’i Iaveh mbamin’ny zavatra masina indrindra.
Notendreny, araka ny nandaharan’i Davida rainy azy, ny antokon’ny mpisorona ho amin’ny fanompoany, sy ny Levita ho amin’ny anjara raharahany, hankalaza an’i Iaveh sy hanao fanompoana eo anoloan’ny mpisorona, araka ny fandaharana ny andro isany, ary ny mpiandry varavarana ho an’ny isam-baravarana araka ny antokony avy, fa toy izany no nandaharan’i Davida, olon’Andriamanitra, azy.
Ny mpiandry varavarana, niambina teo amin’ny tokonam-bavahady kosa, dia i Mataniasa, i Bekbekiasa, i Abdiasa, i Mosolama, i Telmôna, ary i Akoba.