Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 25:8 - Baiboly Katolika

Filokana no nataon’izy ireo na kely na lehibe na ny mpampianatra na ny mpianatra, ny amin’ny anjara raharahany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nanao antsapaka ny amin’ny anjara raharahany avy izy, na ny kely na ny lehibe, na ny mpampianatra na ny mpianatra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nanao antsapaka ny anjara raharahany avy izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny efa havanana na ny mbola miofana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nanao antsapaka ny anjara raharahany avy izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny efa havanana na ny mbola miofana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nanao filokana ny amin’ny anjara-raharahany avy izy, na ny kely na ny lehibe, na ny mpampianatra na ny mpianatra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nanao filokana ny amin'ny anjara-raharahany avy izy, na ny kely na ny lehibe, na ny mpampianatra na ny mpianatra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nanao antsapaka ny amin’ny anjara raharahany avy izy, na ny kely na ny lehibe, na ny mpampianatra na ny mpianatra.

Jereo ny toko



1Tantara 25:8
13 Rohy Ifampitohizana  

I Koneniasa, lehiben’ny Levita momba ny fitondrana ny fanaka no nitarika ny fitondrana, fa nahay izany izy.


Samy natao tamin’ny filokàna ny fizarazarana azy ireo avy, satria na ny tamin’ny taranak’i Eleazara na ny tamin’ny taranak’i Itamara, dia samy nisy filohany momba ny fitoerana masina, sy filohany amin’ny momba an’Andriamanitra.


Amin’ny zanaka lahin’i Asafa: i Zakora, i Josefa, i Natanià ary i Asarelà, ireo no zanaka lahin’i Asafa, tarik’i Asafa, naminany araka ny didy avy amin’ny mpanjaka.


Ny loka voalohany, amin’ireo an’i Asafa, dia nahazo an’i Josefa; ny faharoa, an’i Godoliasa; izy mbamin’ireo rahalahiny sy ny zanany lahy: 12;


Nanao filokàna ny amin’ny isam-baravarana avy izy, na ny kely na ny lehibe, araka ny fianakaviany avy.


Ny amin’ny lafiny andrefana, akaikin’ny vavahady Sikaleketa amin’ny lalana miakatra, azon’i Sefima sy i Hosa: nifanandrify ny antoko-mpiambina.


Nijery izy ka inty ny mpanjaka nitsangana teo amin’ny lampihazo eo amin’ny fidirana; ny lehibe amam-pitsòka trômpetra nanotrona ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra amin’ny tany revon-kafaliana; ny trômpetra notsofiny; ary ny mpihira an-java-maneno nanoro hevitra momba ny hira fiderana. Nandriatra ny fitafiany i Atalia ka niantso hoe: «Fikomiana! Fikomiana!»


Lohan’ny Levita: i Hasebiasa, i Serebiasa, ary i Jôsoe, zanak’i Kedmiela, niandraikitra niaraka tamin’ireo rahalahiny nifanandrify aminy, ny fankalazana sy ny fiderana an’Andriamanitra; araka ny nandaharan’i Davida olon’Andriamanitra an’izany: nanao antokony roa mifamaly.


Ny olona manipy ny filokana amin’ny soron’akanjo, fa avy amin’i Iaveh ihany izay fanapahana rehetra.


Dia hanaovany loka ireo: ny loka iray ho an’i Iaveh ary ny loka iray ho an’i Azazela.


Dia nanaovany loka izy roa lahy, ary i Matiasy no nahazo ny loka, ka izy no lany ho isan’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy.