1Tantara 25:8 - DIEM PROTESTANTA8 Nanao antsapaka ny anjara raharahany avy izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny efa havanana na ny mbola miofana. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20118 Nanao antsapaka ny amin’ny anjara raharahany avy izy, na ny kely na ny lehibe, na ny mpampianatra na ny mpianatra. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara8 Nanao antsapaka ny anjara raharahany avy izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny efa havanana na ny mbola miofana. Jereo ny tokoBaiboly Katolika8 Filokana no nataon’izy ireo na kely na lehibe na ny mpampianatra na ny mpianatra, ny amin’ny anjara raharahany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy8 Ary nanao filokana ny amin’ny anjara-raharahany avy izy, na ny kely na ny lehibe, na ny mpampianatra na ny mpianatra. Jereo ny tokoMalagasy Bible8 Ary nanao filokana ny amin'ny anjara-raharahany avy izy, na ny kely na ny lehibe, na ny mpampianatra na ny mpianatra. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache8 Nanao antsapaka ny amin’ny anjara raharahany avy izy, na ny kely na ny lehibe, na ny mpampianatra na ny mpianatra. Jereo ny toko |
Toraka ireo rahalahiny, taranak’i Aharôna, ny levita koa dia mba notsinjaraina fanompoana tamin’ny antsapaka teo anatrehan’i Davida mpanjaka, teo anatrehan’i Tsadôka sy i Abimelèka, ary teo anatrehan’ny loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny loham-pianakavian’ny levita: samy natao antsapaka mifanarakaraka na ny fianakavian’ny zokiny na ny fianakavian’ny zandriny.
Ka ny antsapaka voalohany dia azon’i Jôsefa; ny faharoa, azon’i Gedalià; ny fahatelo, azon’i Zakora; ny fahefatra, azon’i Jitserỳ; ny fahadimy, azon’i Netanià; ny fahenina azon’i Bokià; ny fahafito, azon’i Asarelà; ny fahavalo, azon’i Jesahià; ny fahasivy azon’i Matanià; ny faha-folo, azon’i Simehỳ; ny faha-11, azon’i Hoziela; ny faha-12, azon’i Hasabià; ny faha-13, azon’i Sobaela; ny faha-14, azon’i Matitià; ny faha-15, azon’i Jeremôta; ny faha-16, azon’i Hananià; ny faha-17, azon’i Jôsbekasà; ny faha-18, azon’i Hananỳ; ny faha-19, azon’i Malôtỳ; ny faharoapolo, azon’i Eliatà; ny faha-21, azon’i Hôtira; ny faha-22, azon’i Gidaltỳ; ny faha-23, azon’i Mehaziôta; ny faha-24, azon’i Rômamtỳ-Hezera. Izy tsirairay avy, mbamin’ny zanany sy havany miaraka aminy, dia samy sokajy misy olona 12 lahy.
Ary indro hitany ny mpanjaka vaovao nitsangana tambonin’ny lampihazo teo amin’ny fidirana, ka ny mpihira sy ny mpitsoka trompetra no teo anilany; nifaly ny vahoaka rehetra, nampaneno trompetra ny mpitsoka mozika, ary nandredona hira fiderana ireo mpihira omban’ny zava-maneno isan-karazany. Fa i Hatalià kosa nandriatra ny fitafiany sady niantsoantso hoe: «Fikomiana! Fikomiana!»