1Tantara 25:25 - Baiboly Katolika ny faha-18, an’i Hananì mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ny fahavalo amby folo dia an’i Hanany, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo; Baiboly Protestanta Malagasy ny fahavalo ambin’ny folo an’i Hanany, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ny folo; Malagasy Bible ny fahavalo ambin'ny folo an'i Hanany, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; La Bible en Malgache ny fahavalo amby folo dia an’i Hanany, izy mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny: Roa amby folo; |
Indreo homba anao ny antokon’ny mpisorona sy ny Levita ho amin’ny fanompoana rehetra ao an-tranon’Andriamanitra; homba anao, hahavitana izao karazan’asa rehetra izao, ireo olo-mazoto sy mahay, hanaovana ny taozavatra rehetra; ary koa ny lehibe sy ny vahoaka vonon-kanatanteraka ny didinao rehetra.»
Ny tamin’ny Levita: i Semeià zanak’i Hasoba zanak’i Ezrikama zanak’i Hasebià, tamin’ny taranak’i Merarì;
Notanterahin’ny Levita sy i Jodà rehetra avokoa izay nandidian’i Jôiadà mpisorona. Samy naka ny olom-peheziny avy izy, na ireo miditra hanao ny fanompoana, amin’ny andro sabata, na ireo niala, fa tsy nasian’i Jôiadà avaka ny antokony rehetra.
Naorin’i Ezekiasa ny fizarazaràn’ny mpisorona sy ny Levita, araka ny antokony avy, - ny mpisorona sy ny Levita, samy araka ny raharahany avy, - hanaovana ny sorona dorana, ny sorom-pihavanana, ny fanompoam-pivavahana, ny hira amam-piderana, eo am-bavahadin’ny tobin’i Iaveh.
Nony nandatsaka ny fototry ny tempolin’i Iaveh ny mpiasa, dia nasaina nanatrika teo ny mpisorona nanao fanamiana sy nitondra trômpetra, mbamin’ny Levita, taranak’i Asafa, nitondra kipantsona, hidera an’i Iaveh, araka ny voadidin’i Davida, mpanjakan’i Israely.
Fa fahiny, tamin’ny andron’i Davida sy i Asafa, lehiben’ny mpihira, dia fanao ny manao hira fiderana amam-pisaorana ho fankalazana an’Andriamanitra.