Nentiny ny Fiaran’i Iaveh mbamin’ny trano lay fihaonana sy ny fanaka voahasina rehetra izay tao amin’ny trano lay, ka ny mpisorona sy ny Levita no nitondra ireo.
1Tantara 23:32 - Baiboly Katolika Azy ireo ny mikarakara ny fitandremana ny trano lay fihaonana, ny fitandremana ny zavatra masina, ny fitandremana ireo taranak’i Aarôna, rahalahiny, amin’ny momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara raharahany ny amin’ny tranolay fihaonana sy ny anjara raharahany ny amin’ny fitoerana masina ary ny anjara raharahany ny amin’ny taranak’i Arona rahalahiny ho fanompoana ao amin’ny tranon’NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Mbola azy koa no miambina ny Tranolay fihaonana sy ny Toeramasina; fa an’ny taranak’i Aharôna rahalahiny kosa ny manao ny fanompoana ao an-tranon’ny TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mbola azy koa no miambina ny Tranolay fihaonana sy ny Toeramasina; fa an’ny taranak’i Aharôna rahalahiny kosa ny manao ny fanompoana ao an-tranon’ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara-raharahany ny amin’ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahany ny amin’ny fitoerana masina ary ny anjara-raharahany ny amin’ny taranak’i Arona rahalahiny ho fanompoana ao an-tranon’i Jehovah. Malagasy Bible Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara-raharahany ny amin'ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahany ny amin'ny fitoerana masina ary ny anjara-raharahany ny amin'ny taranak'i Arona rahalahiny ho fanompoana ao an-tranon'i Jehovah. La Bible en Malgache Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara raharahany ny amin’ny tranolay fihaonana* sy ny anjara raharahany ny amin’ny fitoerana masina ary ny anjara raharahany ny amin’ny taranak’i Arona rahalahiny ho fanompoana ao amin’ny tranon’NY TOMPO. |
Nentiny ny Fiaran’i Iaveh mbamin’ny trano lay fihaonana sy ny fanaka voahasina rehetra izay tao amin’ny trano lay, ka ny mpisorona sy ny Levita no nitondra ireo.
Nitoetra teo amin’ny manodidina ny tranon’Andriamanitra izay nambenany izy, ka tsy maintsy tandremany ny hamohana azy isa-maraina.
Hataoko miandraikitra ny fanompoana momba ny trano, rehefa mety ho raharaha fanao ao, sy izay rehetra tokony hatao ao.
Fa ny Levita kosa dia hitoby manodidina ny Fonenan’ny vavolombelona, mba tsy hipoahan’ny hatezerako ny fiangonan’ny zanak’i Israely, ary ny Levita no hiambina ny Fonenan’ny vavolombelona.»
Dia hotanterahinareo ny fanompoana momba ny fitoerana masina sy ny fanompoana momba ny ôtely, mba tsy hisy fahatezerana amin’ny zanak’i Israely intsony.
I Môizy sy i Aarôna mbamin’ny zanany no nitoby eo anoloan’ny Fonenana, eo atsinanana, eo anatrehan’ny trano lay fihaonana, amin’ny lafiny iposahan’ny masoandro; izy ireo no niadidy ny fiambenana ny fitoerana masina, araka izay tokony hotandreman’ny zanak’i Israely rehetra; fa raha olon-kafa no manakaiky eo, dia tsy maintsy hohelohin-ko faty.
Hanampy ny rahalahiny ihany izy ao an-trano lay fihaonana, hitandrina izay rehetra tsy maintsy arahina, fa tsy hanao ny fanompoana intsony izy. Izany no hataonareo amin’ny Levita momba ny raharahany.»
sy manao fanompoana amin’ny Anaran’i Iaveh Andriamaniny, toraky ny rahalahiny rehetra, ny Levita, izay mitoetra eo anatrehan’i Iaveh,