Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 3:38 - Baiboly Katolika

38 I Môizy sy i Aarôna mbamin’ny zanany no nitoby eo anoloan’ny Fonenana, eo atsinanana, eo anatrehan’ny trano lay fihaonana, amin’ny lafiny iposahan’ny masoandro; izy ireo no niadidy ny fiambenana ny fitoerana masina, araka izay tokony hotandreman’ny zanak’i Israely rehetra; fa raha olon-kafa no manakaiky eo, dia tsy maintsy hohelohin-ko faty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

38 Ny hitoby eo anoloan’ny tabernakely, eo atsinanany, izany hoe eo anoloan’ny tranolay fihaonana, tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro, dia i Mosesy sy i Arona ary ireo zanany, izay mpitandrina ny anjara raharaha momba ny fitoerana masina, dia ny anjara raharahan’ny Zanak’Israely; fa raha olon-kafa no manakaiky dia hovonoina izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

38 I Mosesy sy i Aharôna ary ny zanakalahin’i Aharôna dia nitoby teo anoloana atsinanan’ny Tranolay fihaonana eo amin’ny fiposahan’ny masoandro. Izy ireo no miandraikitra ny fiambenana ny Toeramasina amin’ny anaran’ny Israelita. Izay tsy mpisorona mitady hanatona eo dia hatao maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

38 I Mosesy sy i Aharôna ary ny zanakalahin’i Aharôna dia nitoby teo anoloana atsinanan’ny Tranolay fihaonana eo amin’ny fiposahan’ny masoandro. Izy ireo no miandraikitra ny fiambenana ny Toeramasina amin’ny anaran’ny Israelita. Izay tsy mpisorona mitady hanatona eo dia hatao maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

38 Ary ny mitoby eo anoloan’ny tabernakely atsinanany, dia eo anoloan’ny trano-lay fihaonana, tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro, dia Mosesy sy Arona ary ny zanany, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina, dia ny anjara-raharahan’ny Zanak’Isiraely; ary raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

38 Ary ny mitoby eo anoloan'ny tabernakely atsinanany, dia eo anoloan'ny trano-lay fihaonana, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro, dia Mosesy sy Arona ary ny zanany, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina, dia ny anjara-raharahan'ny Zanak'Isiraely; ary raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

38 Ny hitoby eo anoloan’ny tabernakely, eo atsinanany, izany hoe eo anoloan’ny tranolay fihaonana, tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro, dia i Mosesy sy i Arona ary ireo zanany, izay mpitandrina ny anjara raharaha momba ny fitoerana masina, dia ny anjara raharahan’ny Zanak’Israely; fa raha olon-kafa no manakaiky dia hovonoina izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 3:38
12 Rohy Ifampitohizana  

Azy ireo ny mikarakara ny fitandremana ny trano lay fihaonana, ny fitandremana ny zavatra masina, ny fitandremana ireo taranak’i Aarôna, rahalahiny, amin’ny momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh.


Rehefa hifindra ny Fonenana dia ny Levita no hangorona azy; rehefa hiorin-dasy indray ny Fonenana, izy koa no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky eo, dia hohelohin-ko faty.


Fa ny Levita kosa dia hitoby manodidina ny Fonenan’ny vavolombelona, mba tsy hipoahan’ny hatezerako ny fiangonan’ny zanak’i Israely, ary ny Levita no hiambina ny Fonenan’ny vavolombelona.»


Ny fanevan’ny tobin’i Jodà no hiorin-dasy eo anoloany eo amin’ny lafiny atsinanana mbamin’ny antokony avy. Ny filohan’ny taranak’i Jodà dia i Nahasôna zanak’i Aminadaba,


Ary i Aarôna sy ny zanany lahy dia hotendrenao hanao ny raharahany momba ny fisoronana. Fa raha olon-kafa no manatona ny fitoerana masina, dia hohelohin-ko faty.»


Eo ivohon’ny Fonenana, amin’ny lafiny andrefana, no nitobian’ny Gersônita.


Eo amin’ny lafiny atsimo amin’ny Fonenana no nitobian’ny fokon’ny zanaka lahin’i Kaata.


Ny filohan’ny foko iavian’ny fianakavian’i Merarỳ, dia i Soriela zanak’i Abihaiela. Eo amin’ny lafiny avaratra amin’ny Fonenana no nitobian’izy ireo.


ny andry manodidina amin’ny kianja, ny faladiany, ny tsîmany, ary ny kofehiny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra