Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 21:21 - Baiboly Katolika

Nony tonga teo akaikin’i Ornàna i Davida, nijery i Ornàna ka nahita an’i Davida, dia niala teo am-pamoloana izy, ary niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Davida.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nony tonga teo amin’i Ornana i Davida dia nijery i Ornana ka nahita an’i Davida, ary niala avy teo amin’ny famoloana izy ka niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Davida.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary nanatona an’i Araonà i Davida; vao nijery kosa i Araonà ka nahita an’i Davida, dia niala teo amin’ny famoloana ka nihohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Davida.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary nanatona an’i Araonà i Davida; vao nijery kosa i Araonà ka nahita an’i Davida, dia niala teo amin’ny famoloana ka nihohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Davida.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nony tonga teo amin’i Araona Davida, dia nijery Araona ka nahita an’i Davida, ary dia niala avy teo amin’ny famoloana izy ka niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Davida.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nony tonga teo amin'i Araona Davida, dia nijery Araona ka nahita an'i Davida, ary dia niala avy teo amin'ny famoloana izy ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Davida.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nony tonga teo amin’i Ornana i Davida dia nijery i Ornana ka nahita an’i Davida, ary niala avy teo amin’ny famoloana izy ka niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Davida.

Jereo ny toko



1Tantara 21:21
6 Rohy Ifampitohizana  

Nony tonga teo am-pamoloan’i Atada ao andafin’i Jordany izy ireo dia nitomany amam-pigogogogoana mafy, fa nanokana hafitoana hanaovana fisaonana ho voninahitry ny rainy i Josefa.


Niherika i Ornàna ka nahita ilay Anjely dia niery izy sy ireo zanany efa-dahy; nively vary tamin’izay i Ornàna.


Dia hoy i Davida tamin’i Ornàna: «Afoizo ho ahy ny tokotany misy ity famoloana ity, fa hanorenako ôtely ho an’i Iaveh; afoizo ho ahy amin’izay tokom-bidiny marina haloa vola, hialan’ny aretina mandringana ny vahoaka.»


Raha ilay miakatra mankany an-danitra avy eo ambonin’ny ôtely iny ny lelafo dia niakatra tao anatin’ny lelafon’ny ôtely ilay Anjelin’i Iaveh. Raha nahita izany i Manôe mivady dia lavo niankohoka tamin’ny tany.


Vao nahita an’i Davida i Abigaila dia nidina faingana tamin’ny ampondra, niankohoka teo anatrehan’i Davida, ary nihohoka tamin’ny tany mihitsy,