1Tantara 2:20 - Baiboly Katolika I Hora niteraka an’i Orì, ary i Orì niteraka an’i Bezeleela. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Hora no niteraka an’i Orỳ; i Orỳ no niteraka an’i Bezalila. DIEM PROTESTANTA I Hora no ray niteraka an’i Orỳ; ary i Orỳ no ray niteraka an’i Betsalela. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Hora no ray niteraka an’i Orỳ; ary i Orỳ no ray niteraka an’i Betsalela. Baiboly Protestanta Malagasy ary Hora niteraka an’i Ory; ary Ory niteraka an’i Bezalila. Malagasy Bible ary Hora niteraka an'i Ory; ary Ory niteraka an'i Bezalila. La Bible en Malgache I Hora no niteraka an’i Orỳ; i Orỳ no niteraka an’i Bezalila. |
Manaraka izany, niray tamin’ny zanaka vavin’i Makira, rain’i Galaada, i Hesrôna; efa enimpolo taona izy vao naka azy, ary niteraka an’i Segoba taminy, ravehivavy.
Ilay ôtely varahina nataon’i Beseleela, zanak’i Orì, zanak’i Hora, dia tany koa, teo anoloan’ny tabernaklan’i Iaveh. Nitady an’i Iaveh tany i Salômôna sy ny fiangonana.
«Aoka ho fantatrao fa efa nantsoiko tamin’ny anarany i Beseleela, zanak’i Orì, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Jodà.
Hazo akasià no nanaovan’i Beseleela ny fiara: roa hakiho sy sasany ny halavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony.
Ny nanao izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy dia i Beseleela, zanak’i Orì, zanak’i Hora, amin’ny fokon’i Jodà;