Mahereza ary samia mitomban-dahy isika miady ho an’ny firenentsika sy ho an’ny tanànan’ny Andriamanitsika; dia aoka i Iaveh hanao izay ataony ho mety.»
1Tantara 19:13 - Baiboly Katolika Mahereza, aoka hiady amin-kerim-po isika, ho an’ny firenentsika sy ho an’ireo tanànan’ny Andriamanitsika, ary aoka i Iaveh hanao izay heveriny ho tsara eo imasony.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mahereza, ary aoka hitomban-dahy isika ho an’ny firenentsika sy ireo tanànan’Andriamanitsika, dia aoka NY TOMPO hanao izay sitrapony. DIEM PROTESTANTA Mahereza ianao ary aoka isika hahery miady ho an’ny firenentsika sy ireo tanànan’Andriamanitsika. Ary aoka ny TOMPO no hanao izay heveriny ho tsara! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mahereza ianao ary aoka isika hahery miady ho an’ny firenentsika sy ireo tanànan’Andriamanitsika. Ary aoka ny TOMPO no hanao izay heveriny ho tsara! Baiboly Protestanta Malagasy mahereza, ary aoka hitombandahy isika ho an’ny firenentsika sy ireo tanànan’Andriamanitsika; ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony. Malagasy Bible mahereza, ary aoka hitombandahy isika ho an'ny firenentsika sy ireo tanànan'Andriamanitsika; ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony. La Bible en Malgache Mahereza, ary aoka hitomban-dahy isika ho an’ny firenentsika sy ireo tanànan’Andriamanitsika, dia aoka NY TOMPO hanao izay sitrapony. |
Mahereza ary samia mitomban-dahy isika miady ho an’ny firenentsika sy ho an’ny tanànan’ny Andriamanitsika; dia aoka i Iaveh hanao izay ataony ho mety.»
Fa raha hoy kosa izy: Tsy sitrako ianao! dia inty aho, izay heveriny ho mety no aoka hataony ahy.»
Hoy izy: «Raha mahery noho izaho ny Sirianina, dia handeha hamonjy ahy ianao, fa raha mahery noho ianao ny taranak’i Amôna, dia hovonjeko ianao.
Dia nandroso niady tamin’ny Sirianina i Jôaba sy ny vahoaka niaraka taminy ka nandositra teo anoloany ireny.
Koa mitsangàna ianao, fa adidinao izao raharaha izao. Ary indreto koa izahay momba anao. Matokia, ary ataovy izany.»
Koa na aiza na aiza no andrenesanareo ny feon’ny trômpetra dia mivoria eto aminay ianareo, fa ny Andriamanitsika no hiady ho antsika.»
Tamin’izany rehetra izany i Jôba tsy nanota akory, na nilaza hadalana momba an’Andriamanitra.
Fa matanjaha kosa ary mahereza fo tokoa, sady mitandrema tsara mba hanao araka ny lalàna rehetra nandidian’i Môizy mpanompoko anao. Aza mivily amin’izay na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia, mba hahomby ianao amin’izay rehetra hataonao.
Ary hoy i Jôsoe taminy: «Aza matahotra na manam-badi-po fa matanjaha ka mahereza, fa toy izao avokoa no hanaovan’i Iaveh ny fahavalonareo rehetra izay hiadianareo.»
Dia hoy ny zanak’i Israely tamin’i Iaveh: «Efa nanota izahay, ka ataovy aminay izay heverinao ho mety. Kanefa mba afaho aloha izahay amin’ity andro ity».
Ary izao no nolazain’i Davida tamin’i Saola: «Aza misy mamoy fo ny olona fa handeha hiady amin’io Filistinina io ny mpanomponao».
Dia nambaran’i Samoela taminy avokoa ny zavatra rehetra, fa tsy misy nafeniny na dia kely aza. Ka hoy i Helì: «Iaveh Izy ka aoka hataony izay fantany ho mety.»
Samia matanjaka sy mitomban-dahy ianareo, ry Filistinina, fandrao dia manompo ny Hebrio, toy ny anompoany anareo. Misehoa ho lehilahy ary miadia.»