Nandry feizay i Jodà sy i Israely tamin’ny andro rehetra niainan’i Salômôna. Samy teo ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny avy, hatrany Dàna ka hatrany Bersabea.
1Tantara 17:12 - Baiboly Katolika Izy no hanao trano ho Ahy, ary Izaho hanamafy ny fanjakany ho mandrakizay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izy no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny sezafiandrianany ho mandrakizay. DIEM PROTESTANTA Izy no hanao trano ho Ahy, ary haoriko mafy mandrakizay ny sezafiandrianany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izy no hanao trano ho Ahy, ary haoriko mafy mandrakizay ny sezafiandrianany. Baiboly Protestanta Malagasy dia io no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianany ho mandrakizay. Malagasy Bible dia io no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianany ho mandrakizay. La Bible en Malgache Izy no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny sezafiandrianany ho mandrakizay. |
Nandry feizay i Jodà sy i Israely tamin’ny andro rehetra niainan’i Salômôna. Samy teo ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny avy, hatrany Dàna ka hatrany Bersabea.
Saingy tsy ianao no hanao ny trano, fa ny zanakao lahy, izay naloaky ny kibonao, no hanao ny trano ho an’ny Anarako.
Rahatrizay tapitra ny andronao, ka ho lasa any amin’ny razanao ianao, dia hasandratro ny taranakao mandimby anao, iray amin’ny terakao, ary hohamafisiko ny fanjakany.
Ho toy ny ray ho azy Aho, ary ho toy ny zanaka ho Ahy izy, ka tsy hesoriko aminy ny famindram-poko, toy ny nanesorako izany tamin’ilay nanjaka talohanao.
Ka izao no valy nomeny anay: Mpanompon’ny Andriamanitry ny lanitra sy ny tany izahay; ary ny trano efa vita ela be ihany no ataonay indray; dia ilay efa natao sy vitan’ny mpanjaka lehibe anankiray tamin’i Israely.
Aoka haharitra mandrakizay ny Anarany! Aoka hiely laza ny Anarany, raha mbola mihiratra koa ny masoandro! Aoka ho aminy no itadiavan’ny olona fanambinana! Aoka ny firenena rehetra hiantso Azy hoe: Sambatra!
Hitahiry ny hatsaram-poko aminy mandrakizay Aho; ary ny fanekeko aminy tsy hivadihana.
Efa nanao fanekena tamin’ilay nofidiko Aho; fianianana efa nataoko tamin’i Davida mpanompoko,
fa te hampiorina mafy mandrakizay ny taranakao Aho, sy hanamafy ny seza fiandriananao, hatramin’ny taranaka rehetra.» - Selà
Satria tsy maintsy manjaka Izy ambara-panaony ny fahavalony rehetra eo ambanin’ny tongony.
Ao aminy anefa no itoeran’ny hafenoan’ny fomban’Andriamanitra an-davany sy an-tsakany;
Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely fahafito, ka nisy feo mahery avy any an-danitra nanao hoe: «Lasan’ny Tompontsika sy ilay Kristiny ny fanjakan’izao tontolo izao, ka hanjaka mandrakizay mandrakizay Izy.»